Lehilahy iray no tra-tehak’ireo miaramila miasa eo anivon’ny Capsat, ny alakamisy lasa teo. Voalaza fa nisandoka ho miaramila mitondra ny galonana « adjudant » ity lehilahy ity, izay mbola niaraka tamin’ny fanamaniana sy ny galona teny an-tsorony. Raha ny fanazavàna azo dia efa ren’ireto mpitandro filaminana ireto matetika ny fisian’io « adjudant » izay milaza fa mahavita mampanao « rengagement » ireo miaramila teo aloha ity. Voalaza fa maro amin’izy ireo mantsy no mbola te hiverina ho miaramila indray, kanefa toa hoe « manano sarotra sy manahirankirana ny manao izay fiverenanana izay ». Hany ka tsy vitsy ny mitodika ho an’ity « adjudant » mahavita izany ity. Nandeha indray anefa ny feo fa hangalan’io « miaramila » io volabe fotsiny ireto namany te hiverina ho isan’ny foloalindahy indray saingy tsy misy akory vokany. Rehefa nozohina ihany koa ny raharaha dia voalaza fa tsy vitan’io hoe fanaovana « rengagement » io ihany no ataon’io lehilahy io fa milaza ho mahavita sy mahatafiditra olona hiasa eo anivon’ny Fiadidiana ny repoblika sy ny Primatiora ihany koa ny tenany. Lainga sy fisolokiana avokoa anefa izany ka nahatonga ireo miaramila tena izy, hijery akaiky ny momba azy. Satria dia fanosoram-potaka tanteraka ny Tafika malagasy no ataon’Ingahirainy. Ary dia izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo. Teo ihany koa no fantatra fa hay tsy tena miaramila akory ranamana fa sandoka. Ny fanamiana, ny hety volo, hatramin’ny galona anefa toa tena izy avokoa … nahagaga ny maro. Avy aiza ary izany ? izy ireny sa iza no nanome azy ? Fanadihadiana hafa indray angamba izany. Marihana moa fa ny misambotra no ataon’ireo miaramila, fa raha ny mikasika fanadihadiana sy famotorana dia tsy maintsy natokana ho an’ireo tompon’andraikitra manana izay fahefana izay, na ilay antsoina hoe « officier de police judiciaire ».
m.L