Feno afisy ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Izany dia mahakasika filazàna fikarohana olona izay ny ankamaroany tato ho ato dia ny voarohirohy amin’ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana. Tsy lehilahy ihany no voakasik’izany fa matetika dia misy vehivavy izay mpiray tsikombakomba aminy ao ambadik’ilay heloka. Matetika koa ireo dia mpifankatia ary mpiara-miasa. Na izany aza dia betsaka koa ny vehivavy izay nandeha irery nahavita fisolokiana avo lenta. Nanjavona avokoa ireo olona voakasiky ny fikarohana ary izany no anton’ny nanaovana ny filazàna ho hitan’ny rehetra mba hifanomezana tànana amin’ny fitadiavana ireo voakasika. Any ivelany dia tsy vitan’ny afisy fotsiny ny fifanomezan-tànana amin’ny raharaha toa itony fa sandaina valisoa izay volabe matetika. Misy mihitsy aza ny olona no manompana ny asany ka manao asa fivelomana amin’ny fikarohana ireo olona « wanted ». Eto amintsika aloha dia mbola miandry ny olona tsara sitra-po manome vaovao ankoatry ny hoe hita tampoka ireo karohina noho ny fahaizan’ny mpanao fanadihadiana.
D.R