- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Misy misandoka ny mail an’ny ONU

Fisolokiana : Misy misandoka ny mail an’ny ONU

Miainga amin’ny « offre d’emploi » sandoka izay alefa amin’ny tranokalam-pifandraisana ny ataon’ny mpisoloky. Adiresy mailaka onu.organisation@gmail.com avy eo no asain’izy ireo andefasana ny antontan-taratasy ho an’ny izay olona liana sy handefa fangatahana ilay asa. Rehefa misy tokoa ny fifandraisana dia lazain’izy ireo fa voatazona ilay olona ary mila mandefa vola avy amin’ny alalan’ny « western union ». Tamin’ity indray mitoraka ity dia mba mailo ny tovovavy iray izay nahazo ilay fanamarihana ka nanontany avy hatrany ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Onu. Nohazavaina teo fa fitaka avy hatrany izany satria tsy misy adiresy mailaka miafara amin’ny gmail.com izany ny ampiasain’io vondrona io. Miseho amin’ny endrika isan-karazany ny fisolokiana ankehitriny eo anivon’ny tranokalam-pifandraisana ka raha tsy mailo dia voafitaka mora foana…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici