- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Mpanolotsaina ny Filoha sandoka MD

Fisolokiana : Mpanolotsaina ny Filoha sandoka MD

Misandoka ho mpalotsain’ny Filohan’ny Repoblika dia misoloky. Nidoboka am-ponja ilay rangahy rehefa nanokafan’ny polisy fanadihadiana. Izany dia taorian’ny fitorian’ny orinasa iray mpitrandraka sy mpanondrana makamba. Sinoa no tompon’ny orinasa ary nangataka fahafahana manao ny asany na teo aza ny fandraràna izany araka ny didim-panjakana tamin’ny 2016. Teo no nipoitra ny miseho azy ho mahitahita sy mahafantatra olona ambony. Efa nahazoany hatrany amin’ny 140 tapitrisa ariary ity raharaha ity. Rehefa natao anefa ny fanamarinana rehetra dia tsikaritry ny polisy fa taratasy sandoka no nampiasaina. Tsy afaka nanondrana ny orinasa ary ny niafarany dia nitondra ny fitoriana teto an-drenivohitra. Natao ny fanamarinana rehetra ary tena tsy mpanolotsaina mihitsy ny olona voatondro. Ankoatra izay dia taratasy sandoka no nampiasainy tamin’ny fanomezan-dàlana. Taratasy misy sonian’ny minisitra. Vokatr’izany dia nitory koa io olona ambony io ary roa izany izao ny taratasy fitoriana mahakasika ilay mpisoloky. Voasambotra ihany izy rehefa natao ny fikarohana rehetra izay nanano sarotra, satria na ny laharana an-tariby nampiasainy aza dia efa tsy niasa intsony. Natolotra ny fampanoavana izy ny alarobia teo, niaraka tamin’ny olona nanatitra ny vola tany aminy. Samy nidoboka am-ponja ireo. Na izany aza dia mbola mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Mbola mahomby ho an’ny mpisoloky hatrany ny misandoka ho akaiky ny olona ambony. Ao ny milaza ho mahavita zavatra, ny milaza ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana, ao ny mahavaha olana. Betsaka ny roboka satria tokoa manana toerana eto amin’ny firenena ny kolikoly. Azo itarafana izany ny fanomezana ny vola mitentina 140 tapitrisa ariary, toy izay voatantara etsy ambony, ao anatin’ny raharaha iray.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici