18 volana an-tranomaizina, ka ny 10 amin’izany sazy mihantona, ny 8 kosa sazy mihatra, no miandry ilay rangahy mpisoloky, voasambotry ny pôlisy ny volana may lasa teo, ary nilaza ho jeneraly ao amin’ny Tafika. Ambonin’ireo dia mbola miampy lamandy telo tapitrisa ariary, ho solon’ireo vola nalain’ity rangahy ity tamin’ireo vehivavy nisolokiany. Fantatra moa fa nampiakatra ny raharaha ity lehilahy ity ny zoma lasa teo. Ary naverina amin’ny voloandohan’ny oktôbra ho avy izao indray izany. Tsiahivina fa vesatra telo no nolazain’ireo mpitandro filaminana ho nanenjahana ity lehilahy ity : ny fisandohana anarana, fampiasana taratasy hosoka ary fisolokiana. Nilaza ho Jeneraly ao amin’ny Tafika mantsy ity lehilahy ity, ary entiny hangalany vola aman’olona izany galona entiny izany. Tsy vitan’izay fa mbola vitan’ity rangahy ity ny mandrahoana ireo olona efa voany, raha mikasa ny hanohatra azy. Raha ny filazan’ireo efa lasibatra dia vola mitentina eo amin’ny 10 tapitrisa ariary teo ho eo no efa lasan’ity rangahy ity. Milaza ho mahatafiditra olona miasa ao amin’ny ministera ingahirainy, noho izay maha-jeneraly azy izay. Fa eo ihany koa ny hoe, manana fitaovana maromaro fanaovan-trano ka mitady mpividy. Any dia tsy hita anefa ny lehilahy rehefa azony ny vola. Manginy fotsiny ny fahasahiany milaza fa olona miaraka aminy ireo vehivavy voasolokiny, ka resak’olona mifankatia ny azy ireo, raha sendra misy olona itarainan’ireo lasibatra.
m.L