- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Olona efatra nanao « attestation d’assurance » sandoka nosamborin’ny polisy

Fisolokiana : Olona efatra nanao « attestation d’assurance » sandoka nosamborin’ny polisy

fisolokiana2Lehilahy efatra voarohirohy amina fivarotana « attesttion d’assurance » sandoka no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny Sampan-draharaham-paritany mikasika ny Fikarohana sy Fandikan-dalàna avy ao amin’ny Faritany etsy Ambohidahy. Tamin’ny talata sy ny alarobia lasa teo izy ireo no nalaina tamin’ny toerana telo samy hafa : Isotry, Antanimena ary Mahazo. Tamin’ny tsy nampoizin’ireto olona ireto, nisy nahare ny resaka nifanaovany tany anaty trano fisotroana. Tsy niandry ilay olona tsara sitrapo fa niantso ny mpitandro filaminana nitatitra ny zavatra henony. Tamin’ny fiandohan’ny volana novambra no niseho izany. Nidina ifotony nijery ny zava nisy ny mpitandro filaminana saingy efa tsy tao aintsony ireo olona, hoy ny loharanom-baovao. Ny faha-8 novambra, nametraka fitoriana olona tsy fantatra ilay trano fiantohana. Ny faramparan’ny volona novambra, nisy lehilahy iray nanavao fanamarinam-piantohana teny Isotry. Nahatsikaritra ilay mpiasa fa hosoka ilay fiantohana lany andro. Niantso ny polisy avy hatrany ry zareo. Tsy afaka nihetsika ilay lehilahy fa dia noraisaim-potsiny.   Tamin’ny famotorana azy no nilazany fa tsy azy ilay taratasy fa an’olona hafa. Iraka fotsiny ihany izy. Nokarohina ilay tena tompony ka tratra teny Mahazo. Nohadiahadiana izy io dia nibaradaka fa tsy tany amin’ny trano fiantohana ara-dàlana no nandoavany ny fiantohana lany daty fa tany amina tovolahy iray miasa eny Antanimena. Tsy nijanona teo ny raharaha fa nitohy ka nisy lehilahy roa hafa indray nosamborina. Tratra tamin’izany ny solosaina fanaovana fanamarinam-piantohana  hosoka sy antontan-taratasy marobe hosoka ary fitomboka tsy izy. 20 000 ariary no anamboarany fanamarinam-piantohan mandritra ny taona iray. Be dia be ny efa vitan’ireto olona ireto ary efa miparitaka manerana ny renivohitra sy ny faritra maro.

Manamarika ny tompon’andrikitra fa tokony ho eny amin’ny trano faintohana ara-dàlana no handoa ny vola izay rehetra hanao fiantohana. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy efatra ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici