- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Rangahy nampiasa seky tsy misy anto-bola, orinasa roa very 120...

Fisolokiana : Rangahy nampiasa seky tsy misy anto-bola, orinasa roa very 120 tapitrisa ariary

Efa maty paika tanteraka ny teti-dratsin’ity rangahy mpisoloky ity, izay voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahenina, teny amin’iny faritra 67ha iny. « Anaovany fahazoan-dàlana avy amin’ireo sakaizany izay ahafahany haka « chéque » nefa izy ihany no mangalatra sonia. Iny chéque tsy misy vola iny avy eo no entiny any amin’ireo orin’asa goavana hakany entana maro isan-karazany » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Orinasa goavana roa eny amin’iny faritra Andraharo iny no lasibatra tamin’izany, ka mitotaly eo amin’ny 120 tapitrisa ariary eo no teti-bidin’ireo entana nalainy. Tamin’ny alàlan’ny taratasim-bola avokoa no nandoavany ireto entana ireto. Ny fotoana nangalan’ireo orinasa ny vola tany amin’ny banky anefa no nahafantarana fa tsy misy vola akory mipetraka ao amin’ilay kaonty. Nametraka fitoriana avy hatrany tany amin’ny pôlisy ireo voasoloky ka tamin’izany no nahatrarana an-dranamana. Niaiky tanteraka ny zava-bitany moa ity olon-dratsy ity, izay efa natolotra ny Fampanoavana, omaly.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici