- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Roalahy misandoka ho olon’ny MAPAR, nisoloky mpivarotra

Fisolokiana : Roalahy misandoka ho olon’ny MAPAR, nisoloky mpivarotra

SOLOKYTsy kely làlana ny ratsy ary misy ny mahay manararaotra ny fandehan-javatra hitadiavana vola

Tamin’ny alatsinainy teo no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny  7e arrondissement”  eny amin’ny 67 Ha, ny olona roa antsoina hoe R. Karl sy F. Arson mikasika asa fisolokiana. Tamin’izany zavatra nataony izany dia nisandoka ho olona akaiky ny Filohan’ny Tetezamita sy olon’ny MAPAR izy ireo. Manatona mpivarotra enta-madinika izy ireo, mampiseho karatra sy taratasy hosoka hafa milaza ny maha-MAPAR azy misy ny fitomboky ny fiadidiana ny Tetezamita. Milaza ry zalahy fa misy vary ka hitadiavana mpandray azy izany vary mora izany ,izay natokana ho an’ireo sahirana, be antitra ary hiatrehana ny rivo-doza. Nampiany fa 500 Ar no andafosana azy amin’ny mpivarotra ary 700 Ar no hamarotana azy amin’ny sarambamben’ny mponina. Efa maro ny olona voasolokin’izy roalahy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tamin’ny 11 janoary 2014 dia ramatoa iray mpivarotra eny Andohatapenaka no nanatonan’izy roalahy. Raikitra fa haka vary 6 taonina ilay mpivarotra. Tonga naka ny vola 1.200.000Ar izy ireo ny 13 janoary 2014 ary ny hampitson’io no haterina eny Andohatapenaka ny vary. Niandry ilay mpivarotra nefa dia tsy hita izay nanjavona’ireto mpisoloky ireto niaraka tamin’io volabe io. Ny alatsinainy, 3 febroary 2014 tokony ho tamin’ny 5 ora hariva dia hitan’ilay ramatoa mpivarotra teo akaikin’ny HAVANA 67 ha izy roalahy. Tsy niandry ilay olona fa nampandre avy hatrany ny polisy avy ao amin’ny Boriboritany faha-7 hisambotra azy. Rehefa natao ny fisavana ny tranon’izy ireo teny Sabotsy Namehana dia nahita fifanaraham-barotra efa vita tamin’olona hafa toy ny teny Talata Volonondry izay efa nakany vola 300.000Ar sy ny teny Faravohitra efa nahazoany vola 30.000Ar vodiondrim-barotra. Nahitana taratasy maromaro MAPAR ihany koa tao aminy sy “facture” izay efa misy fitomboky ny fiadidian’ny tetezamita ary vola sandoka mitentina 1.400.000Ar. Ny amin’ireo vola sandoka moa dia tsy fantatra marina izay niaviany fa nifanilika ireo olona voasambotra ireo.

Ny vaovao hatrany no nahalalana fa tsy latsaky ny mpivarotra miisa 15 no efa nitondra faisana tamin’ity fisolokiana ity. Ireo vola rehetra azony moa dia voalaza fa tsy nisy hita intsony. Tamin’ny fanadihadiana azy hatrany no nilazany fa misy olona iray niray tsikombakomba miasa eny amin’ny prezidansa. Io no notondroiny fa omena ny vola ary manome ny anjaran’izy roalahy.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser