- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana safira “masopiso” : Hiakatra fitsaràna amin’ny alarobia izao

Fisolokiana safira “masopiso” : Hiakatra fitsaràna amin’ny alarobia izao

Mbola mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana izao ilay resaka fisolokiana nataon’ny teratany vahiny tamin’ny afera safira, antsoina hoe “masopiso”. Niakatra fitsaràna ny sabotsy lasa teo mantsy ity raharaha ity. Raha araka ny filazan’ireo mpitrandraka, izay voasoloky, dia nahemotra amin’ny alarobia izao izany noho ny tsy fahaizan’ilay teratany “Sri-lankais” teny malagasy. “Tetika io, mba tsy hamerenana ny vatonay”, hoy Atoa Abdoul Bezara, iray amin’ireo mpitrandraka safira any amin’iny faritra Ambatondrazaka iny. “Tamin’izy niresaka tamiko ny momba io vato io mantsy dia miresaka amin’ny teny malagasy tsara izy, fa sady tsy amin’ny teny frantsay no tsy amin’ny teny anglisy”. Hatramin’izao mantsy, raha ny fanazavana, nandritra ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, dia mbola tsy any am-pelatanan’izy ireo ilay vato sarobidy, milanja 30 grama mahery. Fivadiham-pitokisana, fisolokiana, izay no vesatra anenjahan’ireto mpitrandraka nahatsiaro ho voasoloky ireto ireo srilankais roa sy vehivavy iray. “Ny hamerenana ny vatonay ihany no takianay”, hoy hatrany izy ireo mamerimberina izany fitakiana izany. Raha ny filazan’izy ireo mantsy dia efa vonona ny tsy hamerina mihitsy ireto safira, nampisy resabe ireto olona nisoloky ireto. “Aleon’ilay madama, hono migadra, fa amam-bolana dia mivoaka izy satria voavidiny miaraka amin’ireo teratany vahiny ny fitsaràna”, araka ny filazan’i Abdoul hatrany, nitondra teny ny fitarainan’ireto namany, sivy mirahalahy. “Miantso ny fitondrana mahefa araka izany, izahay, hanara-maso akaiky ity raharaha ity, indrindra fa io fitsaràna amin’ny alarobia io”. Raha tsiahivina kely ity resaka ity, ny alatsinain’ny paka teo no nilaza hividy safira amina mpitrandraka avy Andrebabe, Ambatondrazaka, ny srilankais roa izay noelanelanin’ny vehivavy iray. Tonga taty an-drenivohitra, tsy hita niaraka tamin’ny safira ireto olona telo ireto. Nitory teny anivon’ny sampan-draharahan’ny harena ankibon’ny tany izy ireo, ka efa voatazona sy atao fanadihadiana ny olona roa, voampanga amin’ity resaka ity. Mbola misy olona karohina, teratany vahiny iray, izay vinavinain’ireo olona tompon’ny safira, fa mihazona ity vato mitentina iray miliara mahery ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser