- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana sy fivadiham-pitokisana : Voasambotra tany Toamasina ilay ramatoa nokarohina

Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana : Voasambotra tany Toamasina ilay ramatoa nokarohina

Voasambotra tany Toamasina afakomaly, ilay ramatoa nokarohin’ny polisy ekonomika fatratra, nanomboka ny 30 janoary 2020. Namoahana didy fikarohana sy fisamborana izy io. Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana no fiampangana an’ity ramatoa antsoina hoe Faravololoniaina Edmonde, izay nipetraka tao amin’ny Villa Diamondra, Kianjamalaza Andriantompoiray, kaominina ambanivohitra Ambatomirahavavy. Nambaran’ireo fianakaviana lasibatra tamin’ity fisolokiana sy fivadiham-pitokisana nataon’ity olona ity, fa niditra tao amin’ny hotely iray tany Toamasina izy afakomaly io no hitan’izy ireo ka avy hatrany dia niantsoana polisy tao an-toerana. Amin’ity anio ity ity mpisoloky ity no hiakatra eto Antananarivo hanaovana fanadihadiana. Fivarotana tany mirefy 63 Ara 00 Ca amin’ny titre N° 2532 atao hoe Vohimasina Ambatomirahavavy no nanaovan’ilay mpisoloky asa fisolokiana sy fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka. Fanomezam-pahefana avy amin’ny tompon’ny tany, izay hosoka, no entin’ilay  mpisoloky, ka nahazoany vola mitentina hatrany amin’ny 130 Tapitrisa Ar, izay efa tapitra voarainy avokoa. Rehefa handeha hikarakara ny taratasy teny amin’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany ireo olona mpividy vao tratran’ny fanohanan’ny tena tompon’ny tany. Tsy ireto olona ireto ihany no lasibatra amin’izao asa fisolokiana sy fivadiham-pitokisana izao fa olona marobe, raha ny fanampim-panazavana. Andrasana ny tohin’ny raharaha izay efa eo am-pelatanan’ny polisy.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici