Antontan-taratasy maromaro no efa miandry an’Andriamiarana Sedy eny amin’ny mpitandro filaminana. Efa betsaka tokoa mantsy ireo olona lasibatra ary nametraka fitoriana teny amin’nypolisy. Hatreto tsy mbola hita ity olona ity ary voatery namoaka taratasy fampikarohana ireo mpanao fanadihadiana. Resaka fisolokiana, fivadiham-pitokisana, fampiasana taratasim-bola tsy misy anto-bola akory. Ireo no vesatra hanenjehana an’ity lehilahy izay karohina fatratra ity amin’izao, araka ny voarakitry ny taratasy fampikarohana navoakan’ny teo anivon’ny polisy ekonomika etsy Anosy. Efa amina tapitrisa maro no vola lasany, raha ny fanazavana azo ary efabetsaka ireo mitaraina sy nametraka fitoriana fa efa lasibatra ingahy Sedy. Ireo izay mivarotra fiara moa tena ataony mahita faisana mihitsy. Fomban’ireo mpisoloky tokoa mantsy no tsara resaka sy mahay mandresy lahatra aok’izany. Rehefa raikitra ny varotra dia amin’ny alalan’ny taratasim-bola no handoavany ny vidin’ilay fiara. Rehefa handeha haka an’io vola io amin’izay anefa ilay nandray izany dia nolavin’ny banky satria dia tsy misy vola akory ao amin’ny compte-ny. Teny Alasora moa no nahitàna azy farany no sady toeram-ponenany rahateo ,saingy efa nanjavona sy tsy hitapopoka ilay mpanao ratsy. Toy izao no momba momba azy, araka ny vontoatin’ilay taratasy hatrany : « Andriamiarana Sedy, 31 taona, mitondra ny kara-panondro 101 231 140 884 natao ny 27 aogositra 2007 tao Antananarivo III. Iangaviana izay mahita na mahalala ny misy ity lehilahy amin’ny sary ity mba hampandre ny polisy ekonomika etsyAnosy varavarana faha-120, na hiantso ny laharana. Nypolisim-pirenena dia manome toky fa tànana ho Tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Ampahafantarina ny rehetra fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy dia naman’nympiray Tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehana amin’ny lalàna. Olona maromaro hono no mitory azy fa ny « sommes » mbola tsy ananany fa mbola ao anaty « enquête » hono izany ».
m.L