- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana sy seky tsy misy antom-bola : Tovovavy iray karohin’ny pôlisy fatratra

Fisolokiana sy seky tsy misy antom-bola : Tovovavy iray karohin’ny pôlisy fatratra

Vehivavy iray fantatra amin’ny anarana hoe Hanitriniana Nirina Chandrine no namoahan’ireo mpanao fikarohana avy etsy amin’ny Fitaleavan’ny pôlisy misahana ny raharaha ekônomika,  taratasy fampikarohana. Raha ny voalazan’izany taratasy izany dia voarohirohy tamin’ny resaka fisolokiana sy seky tsy misy antom-bola izany vehivavy izany. Toy izao no mombamomba azy, raha ny voarakitra sy ny angom-baovao eo an-tanan’ireo pôlisy. Teraka ny taona 1997 (23 taona), zanak’atoa randrianiaina Johnny Walker sy Rtoa Rasolomalala Nirina Lalao, tompon’ny karam-panondro, laharana faha- 401.012.059.439 ny 29 Aogositra 2016 ary natao tao Mahajanga. Ny toerana nahitàna azy farany dia tao Namontana. Mazava ho azy tsy hita tany nanjavonana moa ny tovovavy nanomboka efa ho andro maromaro izay, antony namoahan’ny pôlisy izao taratasy fampikarohana azy izao. Iangaviana araka izany izay mahita na mahanfantatra ny misy azy, na manam-baovao na dia kely aza ahafahana misambotra azy, mba hampilaza ireo mpitandro filminana akaiky na hiantso ny laharana 034 43 986 45/ 034 99 855 18/ 034 18 629 06. Tanana ho tsiambaratelo izay manome vaovao kanefa kosa, ho an’ireo miezaka manafina azy dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ary hampiharana ny lalàna velona. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy fampitam-baovao azo hafa, mihoatry ny efa voasoratra ao anatin’ity taratasy mahakasika ity raharaha ity. Mbola ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana tanteraka izahay hoy ny fanazavana azo. Hofantatra miandalana eo ihany ny votoatiny rehefa hita ary afaka manao famotorana ity vehivavy ity ireo mpitandro filaminana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici