Vary Tsinjo milanja eo amin’ny 33 taonina teo ho eo no nisy nisoloky tamin’ny orinasa iray. Lehilahy iray, fantatra amin’ny anarana hoe Ramamonjisoa H. no voalazan’ny pôlisy fa tomponantoka tamin’izany. Ity farany izay tsy hita tany nanjavonana intsony moa ka namoahan’izy ireo taratasy fampilazana fikarohana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireto mpikaroka sy izay hita tao anatin’ny pejy ofisialin’ny pôlisy, tao amin’ny tambajotra sosialy dia voalaza fa mpaka vary Tsinjo tao amin’ny orinasa iray ity lehilahy ity. Tamin’ny voalohany, hoy ny vaovao dia naloany vola tsara izany entana izany. Taty aoriana anefa, rehefa niha-nifankazatra ny roa tonta dia nomena aloha ny entana, ary nandrasana ny vola vidin’izany, tany amin’ny banky. Nentin’ny fifampitokisana tamin’ireo ilay orinasa ka dia niandry ka niandry. Saingy tsy nalefan’ity lehilahy ity mihtisy ny vola tao anatin’izany. Mazava ho azy, efa tsy hita intsony ny entana, moa ranamana efa tsy hita tany nanjavonana ihany koa. Nametraka fitairanana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy moa ilay lasibatra ary tonga tamin’izao famoahana taratasy fampilazana fikarohana azy ireo. Araka ny hita sy ny voatoatin’izany taratasy izany dia 48 taona ny lehilahy ary monina teny amin’iny faritra Itaosy, izay toerana farany nahitàna azy ihany koa moa. Manainga ny rehetra araka izany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, mba hampilaza azy ireo avy hatrany, raha manana fanampim-baovao ahafahana mahita sy misambotra ity olona ity. « Na hiantso avy hatrany ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahatelo ao amin’ireto laharana ireto : 034 05 526 94 – 034 05 517 26 ». Nanamafy moa ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena fa mijanona ho tsiambarantelo izany. Ary manentana hatrany fa « ny olona mandray na mampiantrano na manafina olon-dratsy dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ka hohenjehana araka ny lalàna ».
m.L