- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana tany : Havana olom-boafidy nidoboka any am-ponja

Fisolokiana tany : Havana olom-boafidy nidoboka any am-ponja

N’iza n’iza amin’izao, efa tsy azo itokisana intsony ! Niakatra fitsarana omaly, tao amin’ny efitrano faharoa teny Anosy ny raharaha fisolokiana nataona anabavina olom-boafidy iray. Tranga izay niseho ny 18 jolay 2014 lasa teo. Hentitra ny teo anivon’ny Fampanoavana, namantsimpantsika ny tokony hampiharana ny lalàna ho an’ireo mihoa-pefy, satria dia mitombina tsara ny fitoriana nataon’ity ramatoa iray ity. Araka ny re nandritra ny fitsarana, ny zava-niseho tamin’io andro io dia, nivarotra tany tamin’olona ity ramatoa voampanga ity. Mitetim-bidy eo amin’ny 12 tapitrisa ariary ny vola efa azon’io ramatoa io tany amin’ireo olona voasoloky. Ambonin’ny vidin’ny tany mantsy, mbola nisy vola hafa nalainy hikarakarana azy io. Vita ny fifanarahana, akory ny hatairan’ireo mpividy rehefa saika haka an’ilay tany, fa misy tompony ara-dalàna ilay izy. Rehefa niverina niresaka tamin’ity ramatoa nisoloky ity anefa ireo mpividy, dia tsy nahazo valiny nahafapo, fa voarirarira foana. Nanapa-kevitra ny hitory avy hatrany teny anivon’ny mpitandro filaminana ireo mpividy, volana maromaro taty aoriana. Nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’izay. Tao anatin’izany anefa, dia nandeha ny feo fa, saika hanao fanelanelanana ilay olom-boafidy, momba ity anabaviny ity, na hatrany amin’ny famotorana na hatreny amin’ny Fitsarana, saingy tsy nahasakana ny fampiharana ny lalàna izany ary dia io nidoboka io ihany ilay ramatoa. Anio no hivoaka ny didim-pitsarana, raha nolavin’ny mpitsara kosa ny fangatahana fahafahana vonjimaika, nangatahan’ny mpisolovava azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser