- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana teto Toamasina : Olona an-jatony no voan’izany

Fisolokiana teto Toamasina : Olona an-jatony no voan’izany

Eo am-panaraha-maso ity mpisoloky gaigy lahy ity ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, izay voalaza fa fisolokiana avo lenta nitranga ny taona nivalona 2024 iny. Lehilahy iray maka vola aman’olona (tombola) fa hoe hisy zavatra ho azo any aoriana. Raha ny fanazavana mikasika ity fisolokiana avo lenta teto Toamasina ity dia olona 200 eo ho eo no tratran’izany, izay misy tapakila vidiana 5.000 ariary hahazoana vary 15 kilao, miampy menaka, savony. Mbola nasainy nitondra lovia sy sotro ihany koa fa hisy ny fizarana hani-masaka ao anatin’izany. Nisy koa tapakila 3.000 ariary hahazoana “panneau solaire”, ankoatra izay, ka olona manodidina ny 200 teo no tratran’izay tao Andranomadio sy Ambalamanasy. Ny zavatra hita dia nifandrobahana ny fividianana ity tapakila ity nandritra izany ho an’ireto vahoaka. Nasainy tonga tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita ireo olona ireo ny alatsinainy teo tamin’ny 05 ora maraina, ka tonga tokoa ireto vahoaka maro be nilahatra teny, kanjo tsy nisy ilay fizarana voalaza fa voasoloky ireto vahoaka be nilahatra, araka ny voalaza ireto. Tsy hita sy tsy azo antso amin’ny finday intsony ilay lehilahy mpisoloky taorain’izay, ka velon-taraina ireto olona an-jatony voasoloky ireto, satria ny vola lasan’ny mpisoloky ny zavatra nampanantenaina tsy hita akory. Efa tonga eny amin’ny tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana eto Toamasina ity fisolokiana avo lenta ity, ka eo am-panaraha-maso ilay lehilahy mpisoloky izy ireo amin’izao, satria ny fanjakana mihitsy no voatohintohina amin’ity raharaha ity.Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici