- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana teto Toamasina : Voasambotry ny zandary Rtoa Colombe 

Fisolokiana teto Toamasina : Voasambotry ny zandary Rtoa Colombe 

Tratran’ny zandary ny alatsinainy 29 avrily teo raha nanaovana vela-pandrika Rtoa Colombe mpisoloky teto Toamasina. Resaka asa no nisolokiany olona; izay asainy mandoa vola 20.000 ariary isany ireo tanora mitady asa aminy hanomanana ny antontan-taratasy rehetra. Tanora lahy sy vavy 180 no efa tratrany, ka nahazoany  3.600.000 ariary tamin’izany. Tao Ampitatafika Antananarivo izy no tratran’ny zandary Toamasina raha teto anivon’ny fampanoavana teto Toamasina kosa ny fitoriana rehetra no napetrak’ ireo voany. Ny volana avrily iny dia nisy filazana fitadiavana mpiasa nitranga tamina fahitalavitra sy onjam-peo samihafa teto Toamasina, nataon’ity vehivavy iray antsoina hoe Colombe 40 taona ity. Vao nahita izany ny ankamaroan’ireo tanora, izay nisy ihany koa ny famoriana vahoaka natao tetsy sy teroa mikasika izany, dia roboka. Asa hiambina ny fantsona lavabe miala any Moramanga hatreto Toamasina, izay handraisana vola iray tapitrisa ariary isam-bolana sy mbola mety miakatra izany raha vita ny andrana arakasa. Tapitra ihany anefa ny fe-potoana nifanomezana momba ilay asa, nefa tsy hita ny fandehany. Nisy koa ireo tanora nahaloa ny vola nanontany ilay orinasa voalaza fa hampiasa, saingy asa tsy misy ilay izy. Fomba iray entiny nandesen-dahatra ireo tanora tsy an’asa sy ireo haino aman-jery nandefa ilay filazana koa ny filazany, fa hiraka sy miara-miasa amin’ny fanjakana ao anatin’ny fandaharan’asa IEM amin’ny fanomezana asa ho an’ny tanora ny tenany. Nisy mihitsy ny filan-kevitra napetrany teto Toamasina voalaza fa misahana izany fandraisana mpiasa izany, izay efa saika tratry ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga niaro azy ny polisim-pirenena tamin’izay. Isan’ny voafitaka ihany koa ity filan-kevitra napetraky Rtoa Colombe ity ka isan’ny mpitory azy koa amin’izao raharaha fisolokiana nataony izao. Omaly tolakandro no niakatra teo anivon’ny fitsarana Toamasina ny raharaha , ka raha ny didy savaranonando navoakan’ny fitsarana noho ny heloka vitany izay misandoka ho iraky ny fanjakana sy mpiasa misahana ny IEM izay, dia miandry fitsarana am-ponja ao Ambalatavoahangy ny tenany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici