Tsy kely lalana ny ratsy ! Amin’ny alalan’ny varotra televiziona amin’ny Facebook indray ireo mpisoloky no manao ny ataony, ary maro sahady ny efa voany. Mitonoa ho « Electro boutique d’usine » izy ireo ary manao varo-boba televiziona amin’ny endriny fisaka amin’ny vidiny morabe. Misy ny laharana finday asehony ary amin’ny alalan’ny varotra «en ligne » no anaovan’izy ireo izany. Maneho adiresy mihitsy izy ireo ary hasainy ny mpividy mba hitsidika izany amin’ny alalan’ny Facebook ary milaza fa any Toamasina ny foibeny. Hain’ireo olona ny mivarotra am-pitsanganana ireo entana satria maro ny olona roboka ka nividy tamin’izany. Amin’ny alalan’ny fandovana ny vidiny amin’ny finday anefa izany, ary atao aminan’ny alalan’ny hafatra miafina (Mp) ny varotra. Araka ny voalaza etsy ambony, maro ny efa voasoloky fa tovolahy iray miasa amin’ny toeram-pampianarana ambony no tratra farany ny faran’ny herinandro teo ary nitantara ny nahavoa azy ary nametraka fitoriana avy hatrany amin’ny polisy foibe Tsaralalàna. Araka ny fanazavany, nividy ilay televiziona ngeza 42 «pouce » izy ary nangalan’ireo olona ny antsasaky ny ny vidin’entana amin’ny alalan’ny finday (mobile money) ary mandefa laharana. «Rehefa voaloa ny antsasany dia mandefa ny sarin’ny faktiora izy ireo ary milaza fa iny no angalana ny entana rehefa tonga amin’ny Colis express eny 67Ha. Lazain’ireo fa tonga ny entana roa andro aoriana ka mitaky ny ambim-bola izy ireo vao omeny ny faktiora angalana ny televiziona eny 67ha. Rehefa naloa anefa ny ambim-bola, tamin’ny alalan’ny finday, dia tsy nisy namaly intsony, nantsoina tsy azo ireo mpividy. Lasany ny volabe, ary rehefa natao ny fikarohana tamin’ny Facebook vao hita fa kay mpisoloky ilay olona ary efa fanaon’ireo », hoy ny fijoroana vavolombelona. Miovaova ny toerana lazaina fa Toamasina, Toliara sns. Maro ny efa tratrany, ary tsy matahotra mihitsy izy ireo mandefa laharana finday andefasana vola. Iza no hanampo fa fisolokiana ny toe-javatra tahaka izao. Anisan’ny iasan’ny mpisoloky ny Facebook sy ny finday. Ny varotra « en ligne » izay atao hoe miteraka asa ho an’ny tanora, kanefa mahabe ny mpisoloky ihany koa. Ilàna fametrahana fepetra hentitra ihany ny varotra amin’ny internet. Efa am-pelatanan’ny polisy ny raharaha ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
Yv Sam