Manomboka indray ity ny fotoam-pialan-tsasatra dia indro mihamitombo ireo lozam-pifamoivoizana etsy sy eroa, indrindra fa amin’ireo lalam-pirenena, ary saika amoizana ain’olona foana izany matetika. Tsy ny fotoam-pialan-tsasatra ihany anefa fa mbola maro ihany koa ireo fotoam-bita isan-karazany izay tanterahan’ireo vondron’olona samihafa, izay tsy maintsy hindrana ireo lalam-pirenena eto amintsika. Eo anatrehan’izay indrindra ary, mba ho fisorohana izany loza izany dia nampahafantatra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia fa araka ny naoty navoakan’ny ministera dia tsy maintsy atao fitsirahana ara-teknika manokana ireo fiara mpitatitra izay tsy maintsy hitondra olona sy hivoaka amin’ny lalam-pirenena. Any amin’ireo foibe fitsaràna no tsy maintsy hanaovana ity fitsirihana manokana ity, ary ny taratasy azo amin’izany no entina maka ilay fahazoan-dalana manokana eny anivon’ny ATT.
Nanindry mafy ihany koa ireo tompon’andraikitra fa hampitomboina ireo fitsirihana ara-teknika ny fiara, izay hatao tampokatampoka eny an-dalana, entina hitiliana ireo fiara tsy manara-dalana tsy tokony hitondra olona akory. Eo andanin’izay ihany koa dia manentana hatrany ny tompon’ny fiara ireto tompon’andraikitra ireto mba hikojakoja hatrany ny fiara eo am-pelatanany, indrindra fa ireo mpitatitra. Entanina ihany koa ireo mpamily mba hanaraka ireo fepetra isan-karazany, hisorohana ny loza : ny tsy fanaovana taingim-be, ny tsy fandraisana zava-pisotra misy alikaola ary indrindra ny fanajàna ny hafainganam-pandeha voafetra (75km/h ho an’ireo fiara mpitatitra olona). Fantatra ihany koa fa hosokafana ato ho ato ny laharana maitso, ahazoana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibe fitsaràna fiara, ahafahan’ny rehetra mampilaza azy ireo mahakasika ireo fiara tsy manara-dalana ireo. Mandra-piandry izany anefa dia azon’ny rehetra atao ny miantso avy hatrany ireo laharana maitson’ireo mpitandro filaminana raha misy tranga hafahafa. Izany rehetra izany dia hisorohana mialoha ny loza, satria dia « lahitokana tokoa ny aina », ary ny « tongasoa ihany no arahabaina ».
m.L