Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fanomezana ireo 27 baoritra misy ireo “éthylo-test” avy amin’ny governamanta Malagasy, tamin’ny alàlan’ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro. Samy nahazo “alco-test”, dimy arivo sy iray alina avy ny teo anivon’ny pôlisy sy ny zandarimariam-pirenena. Ireto fitaovana ireto moa dia natao hamantarana ny tahan’ny alikaola eo amin’ny mpamily. Natao hisorohana ny lozam-pifamoivoizana; izay voalaza fa mazàna dia vokatry ny fisotroana toaka be loatra eo am-pamiliana. Tonga nandray ireo fanomezana ireo ny Sekretera jeneraly nisolotena ny minisitry ny Filaminana anatiny, ho an’ny pôlisy, ary ny Kômandin’ny zandarimariam-pirenena, niaraka tamin’ny Talen’ny kabinetra, nisolotena ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny foloalindahy, misahana ny zandarimariam-pirenena. Nivohitra tao anatin’ny kabary nifandimbiasana ny maha-zava-dehibe ny hetsika toa izao. Manamora ny asan’ireo mpitandro filaminana, indrindra fa ireo zandary izay miasa amin’ireny lalam-pirenena ireny, ary indrindra hanatsaràna ny asany bebe kokoa ny amin’ny fiarovana ny ain’ireo olona. Voalaza hatrany fa haparitaka eran’ny Nosy ireo fitaovana vaovao vao azo ireo.
Fa mbola eo anivon’ny zandarimariam-pirenena hatrany, dia tontosa omaly, teny Ankadilalana, ny famindram-pahefana teo amin’ireo Kômandin’ny vondron-tobim-paritra Analamanga. Ny Kly Ravoavy Nandrasanarisoa Zafisambatra, nisolo toerana ny Kly Rakotondrazaka Andry. Ny Chef d’Escadron Randriamihety Faniritiana Christina, nisolo toerana ny Chef d’escadron Ravelomanana Tahina teo amin’ny Kômpania Antananarivo Renivohitra.
m.L