- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversFisorohana ny lozam-pifamovoizana : Hanara-maso sy hampiasa « alcootest » ny pôlisin’ny BAC

Fisorohana ny lozam-pifamovoizana : Hanara-maso sy hampiasa « alcootest » ny pôlisin’ny BAC

Kaomisera Tenazafy Willlys Jean Perlin, lehiben’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana.

« Raha ambanin’ny 0,4g ny tahan’ny alikaola anaty rà, dia mbola afaka mitondra fa raha amin’io tarehimarika voatondro io sy mihoatra dia andraisana fepetra avy hatrany ireo mpamily (na mpitondra fiara io na mpitondra moto) » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny kaomisera Tenazafy Willlys Jean Perlin, lehiben’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC). Ny tanjona dia ny tsy hisian’izany loza izany, mialoha sy mandritry ny fety. Araka ny antontanisa navoakan’izy ireo tokoa mantsy dia nahitàna tranga namoizana ain’olona roa, ny fankalazana ny noely tamin’ity taona ity, raha tsy nisy aina nafoy tamin’iny taon-dasa iny. Ny tamin’ity taona ity anefa dia efa maro ireo fanentanana natao, entina hisorohana izany. « Ny tsy fitandremana sy ity fahamamoana eo am-pamiliana fiara ity no tena antony mahatonga ny loza». Manentana hatrany ireo mpampiasa lalana araka izany ny pôlisin’ny BAC mba hiezaka sy hitandrina hatrany ary hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, mba tsy hisian’ny loza. « Fadio ny fisongonana amin’ny havanana izay isan’ny mahafaty indrindra, ny fandehanana mafy, ny « defaillance du systeme freinage », ny fitondrana fiara tsy manana taratasy ahafahana mamily fiara, ny fitondrana moto tsy manao aro loha, ny torimaso fotsy, ny tsy fanajana ny « priorité », ny fahamamoana diso tafahoatra ary  ireo maro tsy voatanisa »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici