« Manomboka ny alatsinainy 19 aogositra 2024 izao dia hifindra eny Ivato, lalam-baovao Tsarasaotra akaiky ny « Lake village » ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Analamanga », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Omaly tokoa no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ity birao fiasàna vaovao ity, izay natao hisolo ny birao etsy Ambohidahy. Na izany na tsy izany aza anefa, dia nanamarika ny teo anivon’ny pôlisy fa na dia manomboka handray olona aza ity birao vavaon’ny pôlisy ity dia tsy hofoanana velively tsy akory ny etsy Ambohidahy fa mbola mitohy hatrany, mandrapahazatra ny olona. « Sampandraharaha miisa roa no handray ireo fitarainana mahakasika ny fandikan-dalàna : ny Service Régional de la Police Economique sy ny Service Régional de Police Judiciaire. Hahitana sampandraharaha anatiny toy ny Service Régional des Ressources Humaines, Service Régional de la Programmation , Suivi et Evaluation, ny Renseignements Généraux , ny Service Régional des Affaires Financières ihany koa ity birao vaovao ity » Marihana fa tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panjakana ho fametrahana ny fandriampahalemana maharitra izao nananganana foto-drafitrasa vaovao ho amin’ny pôlisim-pirenena izao. m.L
Articles qui pourraient vous intéresser