Nihatra nanomboka ny herinandro teo iny ny fiakaran’ny saran-dalana zotra nasiinaly msmpitohy nu renivohitra Anosy (Fort dauphin)-Antananarivo. Raha 70.000ar izany teo aloha, niakatra ho 100.000ar. Ambalavao sy Fianarantsoa mitovy samy 70.000ar……Nilaza ireo mpanao fitanterana sy ireo mpamily fa tokony ho ela be no nampiakarana Io saran-dalana io saingy, zao vao nanampankevitra ny birao foiben’ny kaoperativam-pitanterana eto Antananarivo. Fahavoazana hoan’ny mpandeha izao fiakarana izao, saingy tsy afa-manoatra hoy ireo mpamily. Ny kojakoja na piesy mihalafo,ny lalana ratsy,ny solika na lansasy niakatra ny vidiny, ireo police de la route manararaotra mitaky ny azy. Manoloana izao fiakaran’ny saran-dalana zotra nasionaly izao,azo antoka ny hiakaran’ny saran-dalana zotra rezionaly. Ity zotra iray ity anisan’ny ahatatagana ny fanararaotana ataon’ireo mpamily. Izao fiakarana izao no tokony hisia’ny kalitao eo amin’ny fitanterana. Hoan’ny zotra nasionaly manokana,FD-Tana, kaoperativam-pitanterana miisa (05) no miasa ary saika isan’andro misy zotra hatrany. Olana,tsy mbola voavaha ny sakan-dalana ataon’ny dahalo amin’iny lalam-pirrnens faha-13 ,zay mbola ao vahana tsara raha misy ny finiavana.
RFa