Nametraka fitarainana tany amin’ny «brigade criminelle», ny mpitandro filaminana nanana andraikitra ambony teo aloha, fa vaky ny fiarany ary very tao anatin’izany ny vangovango iray. Nanondro olona iray izy ary nampanantsoina io olona io nohadihadiana, ary nisy fisavana natao tany an-tranony « ka tsy nahitana na inona na inona». Araka izany, efa saika halefa hody ity olona ity no tonga tampoka ny mpitory. Taoriana kelin’io, dia nolazaina ny raiamandrenin’ilay tovolahy fa tazonina ary atolotra ny fampanoavana ny voampanga. «Heverinay fa fanarararaotam-pahefana izany, satria tsy ananana porofo akory ny fiampangana sy fitazonana ny zanakay», hoy ireto raiamandreny ireto. Noho izany dia mihevitra izy ireo fa iharan’ny tsy rariny ka mitaky ny fahamarinana.
Arnaud R.