- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversFitateram-bahoaka ao Maevatanàna : Voasazy izay tsy mampiasa « manifold »

Fitateram-bahoaka ao Maevatanàna : Voasazy izay tsy mampiasa « manifold »

Miteraka sakana eo amin’ny fanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana ankehitriny ny tsy fisian’ny fitànana an-tsoratra ireo mpandeha amin’ny kaoperativam-pitaterana sasany eto amin’ny renivohi-paaritra Betsiboka, na io rezionaly na nasionaly. Ny ankamaroan’ny fanafihana taksiborosy nitranga tato amin’ny lalam-pirenena fahefatra dia mpandeha ao anatiny ihany no misy jiolahy. Izany hoe miova kely amin’ny fisehoan’ny fanafihana taloha izay miendrika fanakanan-dàlana. Vitsy ny taksiborosy manaraka fepetra napetraka dia ny fandraiketana an-tsoratra ny anaran’ny mpandeha manontolo. Manomboka hita ny voka-dratsin’izany ankehitriny manoloana ny firongatry  ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena, ireo fiara fitaterana no lasibatra. Isan’ny tranga akaiky farany teo indrindra izay nahitàna ny lesoka ny taksiborosy iray voatafika teo amin’ny tetezany Belamandy, any amin’ny kaominina Antsiafabositra. Tsy nisy anaran’ny mpandeha na iray aza voarakitra tao anaty boky fandraisana ny mombamomba ny olona ao anatin’ny fiara. Rehefa nandeha ny fanafihana ka fantatra fa tamin’ireo mpandeha ihany no nanafika, tsy afaka nandroso fanadihadiana noho ny tsy fahafenoan’ny bokin’ny mpandeha. Nanao fampahatsiahivana avy hatrany ny tomponandraiki-panjakana misahana ny fitaterana an-tanety eto Maevatanàna fa hentitra ny sazy ho an’ireo izay tsy mameno ny manifold, na izany ho an’ny kaoperativa na koa ho an’ny mpamily. Nanafatra ihany koa izy ireo fa ho ferana 15000 Ariary ny zotra rezionaly mampitohy an’i Maevatanàna sy Mahajanga, mba hotsinjovana ny vahoaka, ka izay minia mampiakatra izany saran-dàlana izany dia mafimafy ny sazy miandry azy hoy hatrany ny ( ATT).

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici