- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFitaterana an-dranomasina : Nirehitra ny sambokely « sandrela », avotra ireo mpandeha...

Fitaterana an-dranomasina : Nirehitra ny sambokely « sandrela », avotra ireo mpandeha tao anatiny

Ny alakamisy alina raha nihazo an’i Maroantsetra ny sambokely antsoina hoe “Sandrila”, niainga tao Soanierana Ivongo, dia nirehitra teo anelanelan’i Mananara avaratra sy Maroantsetra. Vokatr’ izany dia voatery nitodi-doza nihazo an’i Mananara avaratra izay tsy lavitra ny toerana nisy azy ny mpanamory ny sambo, sady nanao ny fanavotana rehetra no nanao fanadihadiana loza. Raha ny angom-baovao natao dia noho ny pitik’afo tao amin’ny toerana fitehirizana ireo entana tany ambany lakaly no nahazo ireo kidoro spaonjy maro be nentiny ka izao nitarika ny firehetana izao. Voatery nandray fepetra nanary ireo entana may ireo tany anaty ranomasina ny mpanamory ny sambo mba tsy hitaran’izany tamin’ireo entana hafa. Ny fahatongavan’izy ireo tao Mananara ihany koa ny alakamisy alina no namonoana tanteraka ny afo tao anaty lakaly. Tsy voakasik’izao firehetana izao ny moteran’ilay sambokely sy ny fitoeran’ny solika mampihodina azy, ka raha voamarina fa tsy misy intsony ny loza ny zoma maraim-be dia nitanjozotra nihazo ny tena diany ho any Maroantsetra ny mpanamory, ka omaly misandratra andro dia tonga soa aman-tsara tao amin’ny fitobian-tsambon’i Maroantsetra ny sambokely “Sandrela” niaraka tamin’ireo mpandeha sy ny mpiasan’ny sambokely an-jatony nentiny; ireo entana ambiny kosa tsy nisy naninona na teo aza ilay firehetan’ireo kidoro spaonjy tao anaty lakalin’ilay sambokely niteraka izao tahotra izao. Nilaza ilay mpanamory ny sambokely, fa loza tahaka ny loza rehetra no nitranga nefa efa manana traik’efa sy nofanina hifehy izany izy ireo, na teo aza ny tahotry ny mpandeha sy ny tompon’ny entana. Mbola vonona hanao ny asany amin’ny fitaterana ny entana sy olona mihazo an’i Maroantsetra izy ireo, ary vonona hatrany amin’ny fiarovana ny mpandeha sy ny fananany…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici