Anio sabotsy 29 aogositra no misokatra ny lalam-pirenena faha-02 mankany Antananarivo avy eto Toamasina sy avy ao Vatomandry – Mahanoro, raha efa nisokatra ny alarobia 26 aogositra teo kosa ny lalam-pirenena faha-05 mankany avaratr’i Toamasina. Amin’izao fisokafany indray izay taorian’ny fihibohana naharitra 05 volana teo ho eo, dia nisy ny fanovana nentin’ny fanjakana sy ny fanovana nifanarahana tamin’ireo mpampily sy ny mpitatitra napetraka hanatsarana ny fitateram-bahoaka. Mielanelana adiny iray ny fiaingana eo amin’ny “gare routière” ka manomboka amin’ny 07 izany hatramin’ny 10 ora maraina, raha tsy maintsy alohan’ny amin’ny 11 ora antoandro kosa ny fandalovana amin’ny “barrage sécuritaire” an’ny mpitandro ny filaminana. Tsy miova ny saran-dalana fa mijanona ho 20.000 ariary ihany, tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny antso amin’ny finday ny famandrihan-toerana. Ireo mpitatitra no miantoka ny “gel hydroalcoolique” ampiasan’ny fiarany, na dia nanolotra fanomezana mikasika izany ihany aza ny “Agence du Transport Terrestre” (ATT) foibe omaly ho azy ireo. Nomarihan’ny tale jeneralin’ny ATT, ny jeneraly Reribake Jeannot, fa tena hentitra ny fampanajana ireo fepetra noraisina niaraka tamin’ny mpitatitra ireo. Ireo feptra hafa kosa dia ny samy mpitatitra ihany no manatanteraka azy, arakaraka ny filana sy ny zava-misy ao aminy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny ATT hatrany fa na nifanarahanan’ny mpitatitra sy ny governoram-paritra tao Analanjirofo aza ny fampiakarana saran-dalana ankehitriny noho ny fepetra amin’ny fanaraham-penitra ny isan’ny mpandeha anatin’ny fiara, dia tsy mety izany fa efa navoakan’ny filoham-pirenena tamin’ny lahateniny fa tsy azo ekena ny fampiakarana saran-dalana atao ho an’ny mpanjifa. Tsy maintsy miverina amin’ny laoniny izany saran-dalana miakatra izany, hoy ny tale jeneralin’ny ATT. Tsy maintsy miavaka ny fitaterana entana sy ny fitaterana olona, fa tsy toy ny taloha intsony ho fitsinjovana ny mpandeha.
Malala Didier