- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFitaterana olona an-tsokosoko : Fiara mpivarotra sakafo nahatratrarana olona 39 isa tao...

Fitaterana olona an-tsokosoko : Fiara mpivarotra sakafo nahatratrarana olona 39 isa tao anatiny

Dia voamarika tokoa amin’izao fa samy manao izay saim-patany ny tsirairay ary mbola maro ireo mafy loha, tsy mety hanaraka ireo fepetra rehetra napetraka ao anatin’izao fihibohana izao. Satria mantsy tsy misy mahazo mandeha intsony ireo fiara mpitatitra dia fiara hafa indray no ahitan-dry zalahy tetika hitondra olona eto an-drenivohitra. Anisan’izany ity fiara mpivarotra sakafo ity, izay tra-tehaky ny polisy monisipaly nitondra olona an-tsokosoko. Marihana fa anisan’ny voarara tsy mahazo manao ny asany andavanandro (mpivarotra sakafo masaka) itony karazana fiara itony dia navadik’izay nitondra amin’ny fitondràna entana sy … olona indray. Voasakan’ireo mpitandro filaminanan’ny CUA izy ireo ka teo no nahitàna fa tsy vitan’ny entana fotsiny ihany no nentiny fa nisy mpandeha maromaro ihany koa tao anatiny. Ary ny tena nahagaga, araka ny fampitam-baovao azo, dia nahatratra hatrany tamin’ny 39 ny isan’ireo mpandeha nentin’ity fiara ity. Betsaka lavitra noho ny zakan’ny taxibe tamin’ny fotoana nahafahan’izy ireo niasa ! Nasaina nidina avokoa moa ireto « mpandeha » ireto ary nampidirina « fourriere » avy hatrany ny fiara. Heverina fa tsy maintsy hatolotra ny tompon’andraikitra mpanao fanadihadiana ny mpamily sy izay olona nanampy azy.

Fa ankoatra ity « bouffe mobile » ity dia « bajaj » sy « cyclopousse » maromaro ihany koa no tra-tehaky ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nitondra olona tsy ara-dalàna nandritra ny andro vitsivitsy izay. Nisy iray tamin’izy ireny aza, araka ny fampitam-baovao azo, no nahitàna olona sivy indray nifanesika tao anatin’izany fitaovana izany. Voatery nampidinina avokoa moa ireo mpandeha ary nentina nogiazana am-balam-pamonjan’ny kaominina avokoa ireo fitaovana ireo. Ny Ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra dia tsy mitsahatra ny manao antso avo amin’ireo mponina mba hanaraka ny fepetra efa noraisina hiadiana amin’ny fiparitahan’ity valan’aretina Covid-19 ity. « Aoka isika hoy izy, hanaja ny lalàna, indrindra fa ireo fitsipika ara-pahasalamana, ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka amin’izao valan’aretina izao. »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici