- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFitaterana Toamasina : Mitaraina ireo mpitatitra mianavaratra sy Alaotra-Mangoro

Fitaterana Toamasina : Mitaraina ireo mpitatitra mianavaratra sy Alaotra-Mangoro

Manao antso avy amin’ny fanjakana ireo mpitatitra manao zotra mianavatra, Fenerivo atsinanana – Soanierana Ivongo – Mananara sy Maroantsetra – Vavatenina, ary ireo mihazo an’ny Alaotra-Mangoro, fa tsy afaka miasa izy ireo nefa ireo mpitatitra rejionaly hafa namany mihazo an’ny Mahavelona Foulpointe sy ny ilany atsimon’i Toamasina iny dia afaka miasa ara-dalana avokoa. Efa tsy niasa fito volana izy ireo ny taona lasa noho ny fanajana ilay hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana ireny, nefa izao nahato tampoka izao indray noho ny fepetra noraisin’ny filoham-pirenena amin’ny hamehana ara-pahasalamana izao indray, ka mitaraina mba hampitoviana amin’ny namany afa-miasa izy ireo fa samy te-hihinana hoy ireto mpitatitra niantso mpanao gazety omaly tao amin’ny gare routière. Efa manaja ny sakana ara-pahasalamana rehetra izy ireo amin’ny fitaterana, ka ny fiangavian’izy ireo dia ny fanapahan-kevitra ny hiasany fotsiny sisa. Manainga ireo mpitandro ny filaminana izy ireo ny tsy hanakana azy ireo, fa tena mafy ny manjo ireto mpitatitra amin’ny tsy fahafahana miasa izao, satria ny kely tafiditra indray no ripaka ankehitriny. Raha ny voalazan’ireo mpitandro ny filaminana manakana ssy misahana ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena mivoaka sy miditra an’i Toamasina, dia 15 andro no miditra ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika, ka ho hita eo afaka 15 andro fa miankina amin’ny fanajan’ny olona ny sakana ara-pahasalamana ihany no ihovan’izany na ho hihamafy indray. Mitaraina ko ireo mpitatitra izay afa-miasa mba tsy hisy loatra ny fandrebirebena ataon’ny mpitandro ny filaminana satria efa manara-dalana izy ireo eo am-piainagana ao amin’ny toeram-piantsonana. Hatahorana hangotraka indray amin’ny fitokonana ny raharaha raha tsy hisy ny fijerena ireo mpitatitra ireto, fa efa nanangasanga izany ny tenin’izy ireo ny omaly niantsoany mpanao gazety teny amin’ny toeram-piantsonany tao Tanambao V.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici