- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversFitifirana fonksionera roa : Manahy mafy ny fianakavian’ny maty  

Fitifirana fonksionera roa : Manahy mafy ny fianakavian’ny maty  

Tifitifitra tetsy Ambohimahatsinjo-Imerinkasinina ary nahalavo mpiasam-panjakana roa. Samy nahatsiaro iny heloka bevava izay nitranga ny 15 novambra iny ny mpanara-baovao. Raha fintinina dia orinasa sinoa iray eto an-drenivohitra no nosavain’ny tompon’andraikimpanjakana ny momba ny sora-bola (bilan). Nolazaina fa tsy nisy izany vokatr’izany dia voatery nametraka fitoriana ny mpanao fitsirihana avy amin’ny fanjakana izay fonksionera roa samihafa. Habibiana tsy roa aman-tany anefa no valin-kafatra. Naniraka

olona ilay sinoa mba hamono ireo mpiasam-panjakana ary dia tratra tokoa ny tanjony rehefa maty voatifitra ireo olona roa niandraikitra ny fanaraha-maso ny sora-bolan’ny orinasany. Ny ampitson’ny heloka bevava dia nikasa ny hitsoaka hody any an-tanindrazany ilay sinoa ary efa maty paka ny fikafika rehetra hialàna eto Madagasikara. Olona iray hafa no mody nalefa nandritry ny firaiketana ny tapakilan’ny fiaramanidina. Rehefa tena hiainga ny fiaramanidina vao nipoitra izy. Efa fantatry ny mpitandro ny filaminana mialoha anefa izany fika izany ary dia noraisim-potsiny teo ilay sinoa. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy taorian’ny fanadihadiana rehetra. Ankehitriny anefa dia manahy ny fianakavian’ny maty rehefa nandeha ny feo isan-karazany mahakasika ny hoe hivoaka atsy ho atsy indray izy rehefa hanao kolikoly ary hiala eto Madagasikara avy hatrany. Misintona ny sain’ny tompon’andraikitra izy ireo mba hanara-maso ity raharaha ity, raharaha izay heloka bevava nahafaty olona roa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici