
Misy vehivavy ao anatin’ilay tambajotra. Olona sivy no efa eo am-pelatananan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava. Izy ireo dia voarohirohy ho nandray anjara mivantana na nanampy tamin’ny fanafihana ilay “quincaillerie” iray tetsy Anosibe, tamin’ny herinandro lasa teo. Tamin’io tranga io, raha hiverenana kely, no nisian’ny pôlisy iray voatifitra teo amin’ny tongony. Izy io dia “motard” sendra nandalo teo an-toerana, ka nohoveren’ireo jiolahy fa hisambotra azy, hany ka tonga dia norarafy tamin’ny basy. Taorian’izay dia nisy ny fisamborana notontosaina teny Itaosy, izay nahazoana olona roa ka ny iray dia lavon’ny bala. Nisy fanamiana voatokana ho an’ny mpiandry fonja ihany koa tao anatin’ilay toerana nanaovana ny fisamborana. Ramatoa no notazomina voalohany ary heverina fa izy nony avy eo no nahafahana namantatra ireo ambiny hafa, izay nosamborina tsirairay tetsy Namontana tamin’ny ankapobeny. Tsikaritra fa efa mba nivaingana ny ezaky ny pôlisy mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny basy eto an-drenivohitra. Toerana roa fanamboarana basy vita gasy no sarona ary heverina fa nisy akony betsaka amin’ny fandriam-pahalemana izany. Na izany aza anefa mbola tokony hitohy ary mihamafimafy izany satria maro koa ny basy miparitaka avy any anaty toby. Raha tsy ny basy mantsy no voafongotra dia ho nofy ny ady amin’ny asan-jiolahy.
D.R