- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFitifirana pôlisy teny Anosibe : Misy pôlisy teo aloha voatazona

Fitifirana pôlisy teny Anosibe : Misy pôlisy teo aloha voatazona

Fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe “Rains”, efa nigadra teny Tsiafahy ny lehilahy saingy nahazo fahafahana vonjimaika, noho ny resaka asan-jiolahy ihany, kanefa dia mbola izao voarohirohy ho ambadiky ny fanafihana mitam-piadiana, nahavoafititra pôlisy iray teny Anosibe. Araka ny fampitam-baovao azo, dia  teo amin’ny 15 teo ireo olona no efa nohenoina tamin’ity resaka ity ary fito tamin’izany ihany no notazonina sy natolotra ny Fampanoavana omaly, ary anisan’izany i “Rains, izy efa fantatra ihany koa fa nandray anjara tamin’ny fanafihana an’i Monlou tamin’ny taona 2014. Raha ny fantatra dia somary mavesatra ihany fiampangana azy fito ireto, ka voatery nohalavaina anio ny fihenoana azy ireo ataon’ireo mpitsara mpanao famotorana. Tsiahivina, fa ny 16 septambra lasa teo no norobaina jiolahy mitam-piadina ny mpivarotra kojakoja fanaovan-trano iray teny Anosibe. Nisy pôlisy nitaingina môtô tamin’io fotoana io, “motard” iray noheverin’ireo olon-dratsy fa saika hisambotra azy ka avy hatrany dia notifiriny. Nihazakazaka izay tsy izy ny fanadihadiana tamin’izay, ka ny ampitson’io ihany dia nisy lehilahy iray nolazaina ho isan’ireo mpanafika voatifitra teny Itaosy, nisy iray hafa voasambotra. Nambaran’ny mpanao fanadihadiana fa nahitana fanamiana miaramila tao aminy, “matraque” ary basy kilalao fitondran’ireto andian-jiolahy ireto manafika. Raha mba toa izany foana mantsy no fiasan’ireo mpanao fanadihadiana eto amintsika, inoana fa tsy hisy ho afa-maina ary hizaka ny valin’ny nataony avokoa ireo mpanao ratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici