Roa andro maninjitra no nihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana an’ireo olona voarohirohy tamin’ilay resaka fanafihana tranombarotra iray tetsy Anosibe ka nahavoatifitra pôlisy iray. Miisa fito izy ireo raha tsiahivina kely ary ao anatin’izany ilay pôlisy teo aloha, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rainsa. Araka ny fampitam-baovao azo dia iray tamin’ireo olona enina nahazo fahafahana vonjimaika ny lehilahy, araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara. Tsy niandry efa anefa fa teny amin’ny Fitsaràna teny Anosy ihany dia niandry azy ho an’ny raharaha manaraka indray ny zandary, raha ny loharanom-baovao azo. Hatreto dia tsy fantatra na inona indray ny raharaha nisamborana azy tamin’ity indray mitoraka ity. Ny hany fantatra aloha hatreto dia isan’ny efa malaza ratsy amin’ny resaka asan-jiolahy sy fikambanan-jiolahy ranamana, raha tsy hiteny fotsiny tamin’ny afa-tsy ny fanafihana an’i Monlou tetsy Tsaralalàna tamin’ny herintaona. Ary izao dia ity fanafihana tetsy Anosibe ity, ary io vao nisamborana azy io indray. Fa raha hiverenena kely ilay teo Anosibe. Araka ny voalaza etsy ambony dia fito ireo olona voarohirohy nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana, nanomboka afak’omaly ary nitohy omaly. Ny enina tamin’ireo nomena fahafahana vonjimaika, ny iray kosa voatery naiditra am-ponja, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Ity farany ity, araka ny fanazavana azo hatrany, dia ilay olona nahatratrarana fitaovana maromaro fitondran’ireo olon-dratsy manafika, toy ny fanamiana miaramila, « matraque » ary basy kilalao. Ny rahalahiny dia maty voatifitra teny an-tranony teny Itaosy raha teo am-pitsoahana ny alakamisy lasa teo, noho ity raharaha ity hatrany.
m.L