- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFitifirana tanaty famadihana : Vehivavy iray maty, rotiky ny bala ny lamosiny

Fitifirana tanaty famadihana : Vehivavy iray maty, rotiky ny bala ny lamosiny

Rehefa samy navarimbarin’ny alikaola sy tao anaty fifamaliana ireto roa lahy dia nikasa ny hifamono tamin’ny basim-borona teny an-tanan’izy ireo tsirairay avy. Nandritry ny lanonam-pianakaviana, famadihan-drazana tany amin’iny distrikan’i Belo Tsiribihana no nitrangan’izany, ny alahady lasa teo.

Tsy atao mahagaga tokoa fa rehefa fety aman-danonana toa izany, indrindra fa hoe famadihan-drazana dia tondraka tokoa io toaka io. Hiaraha-mahalala anefa ny voka-dratsy entin’izany. Ary porofo iray ity nitranga tao aminy tanana antsoina hoe Ambondro, fokontany Lavaheloka, kaominina Antsoha, distrika Belo Tsiribihana. Renim-pianakaviana iray, manan-janaka telo no namoy ny ainy tsy fidiny, vokatry ny hadalan’ny olona mamo. Raha ny fanazavana azo mantsy, ny marain’ny alahady lasa teo no nahazo fampilazàna avy amin’ny tompon’andraikitry ny tanana tao an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Antsoha. Ny zava-nisy dia nisy ny fifamaliana teo amin’ny lehilahy roa, izay efa samy mamon’ny toaka. Ireto farany, izay voalaza fa samy nivimbina basim-borona avokoa. Tonga hatramin’ny fifanaharana ny hifamono mihitsy, toa ireny horonantsary amin’ny « western » ireny moa izy roalahy ireto. Nirefotra tokoa ny basy, saingy tsy nisy niantefa teny amin’izy roalahy hifamono ny bala. Ramatoa iray, tao anatin’ny fianakaviana no niantefan’izany. Nidaraboka, naratra mafy. Namoy ny ainy taoriana kelin’izany moa ity renim-pianakaviana ity, raha ny fampitam-baovao azo. Voalaza mantsy fa ratra niisa enina, niantefan’ireo potim-by tao anaty bala no hita teo amin’ny lamosina ary tafagorobaka tao amin’ny tratrany. Ratra nahatonga ny fahafatesany. Nidina avy hatrany tany an-toerana taorian’ny fampandrenesena moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, niaraka tamin’ny mpitsabo sy ireo tompon’andraikitry ny tanana, nijery ifotony ny zava-nisy sy ny nanao ny fitsirihana ny razana. Raha ny vaovao azo hatrany dia tsy tazana tao an-toerana intsony fa nitsoaka ireo roalahy voalaza fa hifamono, nahatonga izao vono olona izao. Nanokatra ny fanadihadiana araka izany ireo zandary ary nanohy ny fikarohana ireto tompon’antoka ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici