Nanapa-kevitra ny havan’ny maty fa homena valin-kasasarana izay olona manome vaovao momba ireo mpamono olona tetsy Behoririka ny alahady lasa teo. Ny polisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava no nampitan’izy ireo an’izany hafatra izany. Ireo indray no nampita tamin’ny mpanao gazety izany nony avy eo. Midika izany fa tsy maintsy avy amin’ny olon-tsotra ihany no hahafahana mahafantatra zavatra ao anatin’ny fanadihadiana. Hatreto dia miainga avy amin’ny famaritana ny endrik’ilay olon-dratsy, na “portrait-robot”, ny fanadihadiana. Miompana ihany koa izany amin’ny fampitahana ilay bala sy ny taim-bala ary ny basy hita teny an-toerana. Hatreto dia entina hanodinkodinana ny sain’ny mpanao fanadihadiana fotsiny ihany ny fanariana ilay basy vita gasy tetsy Behoririka. Raha ny fijery azy mantsy dia tsy mifanaraka velively amin’ilay bala ny taim-bala 7.65mm sy 7.62 mm ilay basy hita teny an-toerana. Manome endrika izany fa olona efa fetsy ary nokaramaina hamono olona no tompon’antoka tamin’ity heloka bevava amin’ny andro antoandro ity…
Didi R.