- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFitifirana vazaha : Nesorina maika ny sarin’ny razana

Fitifirana vazaha : Nesorina maika ny sarin’ny razana

Raha vao nandeha kely tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’ilay teratany frantsay antsoina hoe Stéphane Laurin ka nahazo tatitra momba izany ny fianakaviany, dia niangavy ny hanesorana an’izany avy hatrany ireo farany. Mazava ho azy fa mba ho fanajàna ny voninahitry ny maty. Ny harivan’ny asabotsy dia efa tsy hita intsony tamin’ny tranonkalan’ny mpitandro ny filaminana namoaka izany ilay sary. Isan’ny tsy fahafehezana asa ny fanapariahana sarin’olona maty, indrindra ao anatin’ny raharaha heloka bevava, ary azon’ny havan’ny maty enjehina tsara araka ny lalàna. Hain’ny vazaha izany ary tsy niandry ela izy dia nangataka ny fanalàna izany mba tsy hisian’ny arakaraka. Eto amintsika kosa dia mbola betsaka ny olona no faly milalao sarim-paty mba hoentina misintona olona hijery ny tambajotra sosialiny, na koa hoentina midedaka. Ny haino aman-jery sy ny gazety sasany dia efa betsaka ny nanao ezaka ny mba tsy hanao izany intsony, kanefa na izany aza mbola misy ihany ny sasany izay roboka mba hoentina mamarotra. Eto amintsika rahateo mbola tsy mahalala ny lalàna mifehy ny  mahakasika ny sary ny olon-tsotra ary dia samy manao izay saim-patany amin’ny famoahana izany. Na ny mpitandro ny filaminana aza izany dia tratra koa tamin’ity indray mitoraka ity, mahakasika ny raharaha famonoana filoha tale jeneralin’ny orinasa afaka haba tetsy Ankadikely. Mbola betsaka araka izany ny harenina ary mila hamafisina ny fahaizana mikirakira asa ho an’ny sehatra maro mba hisian’ny fifanajàna, antoky ny fiaraha-monina demokratika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici