Isan’ny niteraka fikoropahana teo amin’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny fitokonan’ireo mpitatitra entana sy ireo vondron’ny “transitaires” eto Toamasina, ny nampihitsoka an’ilay kaontenera misy ireo vola namboarina avy any ampitan-dranomasina nihitsoka tao an-tokotanin’ny Mictsl fa tsy afaka niditra ilay kamiao nokaramain’ny banky foibe eto Toamasina hitondra azy. Voatery nanao fifanarahana tamin’ireto mpitokona izy ireo, satria miankina amin’ny ain’ny fitondram-panjakana ity vola vao tonga ity, noho izy miantoka ny karaman’ireo mpiasam-panjakana tapaka karama nefa niasa farany teo, sy miantoka ny fandaniam-panjakana amin’izao famaranana ny taona sy ny volana voalohany ny taona vaovao 2018 io ihany koa. Ny fiafaran’ny tolakandro vao tafavoaka izany ary efa tonga eo am-pelatanan’ny banky foibe eto Toamasina ihany koa omaly. Tao anatin’izay ihany koa anefa dia nanome baiko ny prefen’i Toamasina sy ny Spat ary ny Mictsl ny praiminisitra mba tsy hitaran’ny olana amin’ny ekonomia sy ny fiainan’ny Malagasy, ny hitadiavana vahaolana farany izay haingana, ka nisian’ny fivoriana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina nanomboka tamin’ny 03 ora tolakandro omaly. Nandritra izany dia raikitra ny fifandirana, ny fifanazavana, ny fizirizirina tamin’ny heviny avy, ary ny fiakaran’ny feo tamin’ireto mpitokona noho ny be marenina sy ny fivadiham-pitokisana teo amin’ny Mictsl, saingy taorian’ny ora efatry ny fihaonana teo amin’ireo mpivory izay nahitana ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, ny solontenan’ny Spat, ny tale jeneralin’ny Mictsl, ary ireo filohan’ny fikambanana sy ny vondron’ny mpitatitra ary ireo “transitaires”, dia hita ihany ny marimaritra niraisana tokony ho tamin’ny 07ora hariva na,naovana sonia ny fifanarahana savaran’ando tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny volana janoary 2018. Isan’izany ny fametrahana ny komity fanaraha-maso sy ho an’ny mpanjifan’ny Mictsl, ny fito andro tsy hitataovan-ketra amin’ny entana, fanofana fitaovana mandra-pivahan’ireo fitaovana simba sy tsy ampy eo anivon’ny Mictsl, ary ny fametrahana ny ora fidirana sy fivoahan’ireo kamiao maka entana rehetra. Milaza ny tsy afa-po tamin’ny fifanarahana hita natao sonia ireto mpitokona, saingy nilaza fa nandefitra fanindroany noho ny tombontsoam-bahoaka.
Malala Didier