Nanomboka tamin’ny 06ora maraina dia efa tonga teo am-bavahadin’ny seranan-tsambon’i Toamasina nanara-maso ireo olombelony avy, ireo fikambanana mpitatitra entana nanapa-kevitra hitokona nanomboka omaly, mba tsy hisy ny hihoa-pefy mety hibahan-dàlana sy tsy hanaja ny fifanarahana niarahana nanapaka ary ho mariky ny firaisan-kinan’izy ireo, noho ny olana maro sedrain’izy ireo, nefa anaovan’ny orinasa Mictsl be marenina na teo ny fifanarahana natao.
Taorian’ny fivadiham-pitokisan’ny orinasa Mictsl, noho ilay fifanarahana niarahan’ny rehetra tao amin’ny efitrano fivorian’ny seranan-tsambo, ny 11 desambra lasa teo izay notarihan’ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro .Efa namoaka naoty laharana 274-2017/MTM/MIN, ny 22 desambra teo ny minisitera milaza ny hanarahana ireo efa nifanekena rehetra, dia tsy misy narahana izany ka vao mainka nitombo ny olana ka izao niafara tamin’ny fitokonana nataon’ireto mpitatitra entana sy ireto « Transitaires » ireto, hanehoan’izy ireo ny firaisan-kinany sy mba hanajana azy ireo koa. Vokatr’ io fitokonana amin’ny tsy misy miditra ny seranan-tsambo maka entana eo anivon’ny Mictsl nanomboka omaly ity, dia sahiran-tsaina koa ny fanjakana izao, fa mihitsoka eo anivon’ny orinasa Mictsl ny kaontenera misy ireo volam-panjakana namboarina tany ampitan-dranomasina izay vao tonga ny talata maraina be teto Toamasina. Nisy noho izany ny fivoriana tsy nisy farany niarahan’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ara-pitsarana eto Toamasina, sy ireo tompon’andraikitry ny banky foibe eto Toamasina, ireo tompon’andraikitry ny orinasa Mictsl sy ny Spat, ary ireo solontenan’ny mpitokona ihany koa. Mazava anefa ny an’ireo mitaky ny famahana ny olana sedrainy ireto, fa tsy manakana ireo kamiao efa tafiditra nahazo entana eo anivon’ny Mictsl hivoaka izy ireo, saingy tsy manaiky kosa ny fidirana kamiao avy any ivelany miditra maka entana noho ny firaisan-kinanay sy efa niarahana nanapaka tamin’ny fivoriana. Tao anatin’izay anefa, efa vonona hamoaka ny kaontenera misy ireo volam-panjakana ny orinasa AUXIMAD misahana izany, efa nihaodihaody tao amin’ny seranan-tsambo ihany koa ireo GSIS mpiaro izany volam-panjakana izany, saingy ny olana dia tsy misy kamiao mety maka ilay entana, nefa araka ny vaovao, dia miankina amin’ity vola ity ny fandoavana ireo volan’ny mpiasam-panjakana tapaka karama farany teo izay nambara ho matoatoa nefa mpiasa tena mbola izy. Hatramin’ny nanoratana ny vaovao, dia mbola mihitsoka eo anivon’ny Mictsl ny kaontenera misy ny volam-panjakana, tsy mitsahatra mivory koa ireo tompon’andraikitra mitady ny vahaolana.
Malala Didier