- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFitokonan’ny mpianatra ao Barikadimy : Nipoaka indray ny entona mpandatsa-dranomaso, omaly

Fitokonan’ny mpianatra ao Barikadimy : Nipoaka indray ny entona mpandatsa-dranomaso, omaly

Tahaka ny efa nataon’ireto mpianatra ao Barikadimy ny alakamisy sy ny zoma ary ny alatsinainy teo, dia mbola niverina nanao ny fitokonany hatrany izy ireo omaly tamin’ny filanjana sorabaventy sy fitsofana kiririoka ary ny horakoraka samihafa, nentin’izy ireo mitaky ilay fangatahan’izy ireo dia ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana ary ny fizarana amin’izay ny trano naorina ho azy ireo ao Barikadimy. Tamin’ity omaly ity, dia nanomboka nafana ny raharaha satria raikitra ny tora-bato  mpitandro ny filaminana nataon’ireto mpianatra mitokona mitaky ny ambarany fa Zony; efa nisy ihany koa ireo andiana mpianatra mikasa ny hivoaka ny tokotanin’ny oniversite, ka noho ny fanakanana izany sy nanaparitahana ireo mpianatra mikasa ny hihoa-pefy ireto dia voatery nampiasa ny entona mpandatsa-dranomaso ireo mpitandro ny filaminana. Taorian’izay, dia nilamina ny raharaha ary nanomboka nilamina ny teny Barikadimy. Tao anatin’izay anefa, dia nisy ny fihaonana teo amin’ny ekipan’ny filohan’ny oniversite sy ny solon-tenan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ary ny solon-tenan’ireo mpianatra mitaky ny vatsim-pianarany sy ny fampitaovany ary ny fizarana ny trano ho azy ireo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny prezidansan’ny oniversiten’i Toamasina. Natao lavitry ny mpanao gazety ity fihaonana ity, nandritra izany nefa taorian’ny dinika nifanaovan’izy ireo dia tsy nisy ihany koa ny tatitra natao ka tsy fantatra mazava ny tapaka sy ny fifanarahana nitranga tao. Ny hany tsilian-tsofina fantatra fotsiny hatreto, dia ny hoe tsy maintsy dinihina tsirairay ny antontan-taratasin’ireo mpianatra 2.600 voalaza fa tsy nahazo vatsim-pianarana sy fampitaovana ireo ka tsy fantatra izay tohiny sy ny isan’ireo hahazo izany. Ny mikasika ny trano kosa, dia tsy mbola afaka mizara izany ny oniversite hatreto raha tsy efa feno fanaka ao anatin’ireo trano ireo, sy efa vita ny fampitomboana ny tanjaky ny herinaratra izay tsy maintsy amoahan’ny oniversite vola amina miliara vidin’ny fitaovana fampitomboana herin’izany…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici