- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFitokonan’ny mpitsara : Ahiana hahazo vahana ny jiolahy

Fitokonan’ny mpitsara : Ahiana hahazo vahana ny jiolahy

Omaly ihany dia efa niteraka resa-be tamin’ny sehatra maro, ny fanambaran’ny sendikan’ny mpitsara ny amin’ny hisian’ny fitokonana faobe manomboka amin’ny alakamisy izao. Ny tena andehanan’ny sain’ny maro, dia ny amin’ireo olona izay nanao heloka ka voasambotra. Ny antony mantsy dia tsy ho ela intsony izany dia ho feno ny « violon » eny anivon’ny mpitandro ny filaminana noho ny tsy fisian’ny fanolorana ny olona voarohirohy ho eny anivon’ny fampanoavana. Torak’izany ihany koa ny any amin’ny fonja : marobe ny gadra izay tsy ho vita fitsarana ary mazava ho azy fa hitombo isa ao ireo voatazona. Efa nitranga ny toy izany tamin’ny andron’ny tetezamita. Navotsotra fotsiny ireo olona izay voasambotra teny anivon’ny mpitandro ny filaminana, satria feno ny toerana fitazonana azy ireo. Na nisy aza ny « service minimum » izay nataon’ny teo amin’ny fampanoavana tamin’izany fotoana, dia tsy nahavita ny fihainoana ireo voarohirohy izay efa an-jatony isan’andro raha eto An-drenivohitra fotsiny. Lasa filaharana be ihany koa ny tetsy Anosy ka niteraka hakiviana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana izay lasa nanapa-kevitra ny nanajanona ny fisamborana tetsy sy teroa. Ity anefa, dia tsy eto Andrenivohitra fotsiny ny resaka fa eran’i Madagasikara, izany hoe olona an’arivony isan’andro no tsy ho vita fanadihadiana ary torak’izany ihany koa, no tsy hotsaraina. Faniratsirana ny hasin’ny fitsarana raha hiverenana kely no tena anton’ilay fitokonam-be ; izay ataon’ny mpikambana eo anivon’ny SMM. Izany dia taorian’ny tsindry nataon’ny olom-boafidy (senatera) iray tany Ampanihy, tamin’ny mpitsara mpanao famotorana rehefa nandray fanapahan-kevitra ny nampiditra am-ponja ben’ny tanàna iray io farany. Io no nampirehitra ny afo raha mbola nifandrirarira tamin’ny raharaha senatera Riana Andriamandavy ny tontolon’ny fitsaràna sy ny sehatra hafa. Hisy akony lehibe amin’ny fandriampahalemana ity fitokonam-be ity ary efa voaporofo tamin’ny tranga nisy vao tsy ela akory izany, tamin’ny tetezamita. Mila mijery vahaolana haingana ny fanjakana…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici