- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversFitovinany : Notanterahina tao Vohipeno ny Fandroana Andriaka 2025

Fitovinany : Notanterahina tao Vohipeno ny Fandroana Andriaka 2025

Tontosa ny sabotsy teo tao Vohipeno ny Fandroana Andriaka 2025, fomban-drazana sy kolontsaina manan-danja ho an’ny foko Antemoro. Tsy fety fotsiny fa fotoana masina, feno fifaliana sy fanadiovana, ary manamarika ny fifamatorana lalina amin’ny razana Anakara. Hetsika maro no natao mialoha ny ivon’ny fankalazana ary ny andron’ny 13 desambra teo no  nanatanterahana ny fombafomba teny amoron-dranomasina. Nandritra izany, nampahatsiahivin’ireo tomponandraikitra fa ny fandroana dia fomba iasan’ny hery tsy hita maso miaro sy mitarika ary manoro lalana. Tao Ambohabe no anatanterahana ny fombafomba lehibe, toerana masina izay nahatongavan-dRamakaro sy ireo razana namorona ny fanjakana Antemoro, nijoro nandritra ny 700 taona mahery. Io Ambohabe io no vavahady mankany amin’ny tantara sy loharano iorenan’ny maha izy ny Antemoro. « Ny hevitry ny fandroana dia fanadiovana ny fanahy sy ny finiavana, fanavaozana ny fifamatorana amin’ny razana, fiverenana amin’ny fototra sy ny hasin’ny foko ary fampitohizana ny lova Antemoro ho an’ny taranaka mbola ho avy. Tsy fombafomba hita maso fotsiny izy fa fomba iasan’ny hery tsy hita maso izay miaro sy mitarika » hoy hatrany ny fanazavana. Tonga maro tao Vohipeno moa ny taranaka sy ny fianakaviana Antemoro na avy ao an-toerana na avy any ivelany. Nisy ihany koa ireo vahiny liana amin’ny kolontsaina sy ny tantara tonga nanatrika izany. « Ny fandroana dia lasa sehatra iray mampiray ny taranaka mampahatsiahy fa tsy tantara fotsiny ny lova navelan’ny razana. Ankoatra izay, fotoana nentina nafahatsiarovana io fa ny  foko Antemoro dia manana razana, firenena manana tantara ary vahoaka manana fototra. Ny fandroana dia mijoro ho mariky ny fifandraisana amin’ny razana sy ny fanajana ny lova Antemoro ho lova tsy ho very fa ho tohanan’ny taranaka ho avy » hoy ny fanazavana.

Manjato Razafy

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici