« Efa mandeha ny fitsaboana maimaimpoana. Efa resinay ny corona ary tsy miverina amin’izay resaka fandrarana amin’ny zava-boaary malagasy izahay. Ny Fitrama dia hirona kokoa amin’ny fanohanana ara-tsaina ny olona voan’ny corona, ary ny fanampiana ara-tsosialy, ary misy vokany amin’ny fidiram-bolan’ny tsirairay », hoy Rafanonomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny Fitrama. Hirona any amin’ny asa sosialy any amin’ny fifindramonina ambanivohitra (exode urbain) sy ny fiompiana trondro. Ity tetikasa farany izay mampidi-bola amina miliara ary misy ny tetibola heverina fa ho azo amin’izany amin’ity taona ity. Hametraka fanamby ny fikambanana, ka hatokana madiodio hananganana fiangonana, hanaovana tsena, ary fananganana toeram-pianarana any amin’ny tetikasa « exode urbain » izany vola azo amin’ny fiompiana trondro izany. Anisan’ny nahafantarana ny Hafari sy ny Fitrama rahateo ny asa sosialy izay tozoin’izy ireo amin’izao fiatrehana ny krizy ateraky ny coronavirus izao. Fanampiana ny mpiara-belona ary maimaim-poana hatrany, na ny ara-tsosialy, na ny eo amin’ny lafiny fitsaboana. Milaza moa izy ireo fa nahitam-bokany ny asan’izy ireo izay manome lanja ny maha malagasy sy ny fiaraha-monina malagasy.
Yv Sam