“Manan-karena vato sarobidy i Madagasikara saingy mandalo fotoan-tsarotra ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ho an’ny mpandraharaha malagasy sy madinika, raha ity taona 2021 ity, noho ny tsy fisian’ny minisitra misahana ny harena an-kibon’ny tany”, hoy i Manandaza Gilbert Randrianah, mpandraharaha tompon’ny orinasa Univers des Mines. Nilazany fa io olana sedrain’ny mpandraharaha madinika io no sakana amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny ara-dalàna, kanefa ny ataon’ny minisitera tsy mifanaraka amin’ny sata mifehy ny fitrandrahana. Manampy izany ny ataon’ireo mpandraharaha vahiny any amin’ireny toeram-pitrandrahana ireny izay mamono tanteraka ireo mpitrandraka malagasy. « Tsy misy ny biraom-panisana ny harena ankibon’ny tany, izay mety hahazoan’ny fanjakana ny hetra mifanaraka amin’izany, ka lasa any amin’ny baranahiny no mandeha ny fandraharahana », hoy ity mpandraharaha ity. Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny minisitera tamin’ny alalan’ny fikambanana mpiaro ny mpitrandraka madinika momba ny fandinihana manokana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. «Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary mahavelona ny Malagasy. Porofon’izany, nety ho an’ny ny taona satria nandeha ny tsena ary nisy ny tombony ka hifaliana sy hifampizarana amin’ny mpiara-miasa izany », hoy hatrany i Gilbert. Nofaranana tamin’ny fizarana fanomezana ho an’ny mpiara-miasa ny taona noho izany.
Yv Sam