- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversFitrandrahana tsy ara-dalàna tao Betsiboka : Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny faritra karohina

Fitrandrahana tsy ara-dalàna tao Betsiboka : Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny faritra karohina

Tsy miala eny ambony molotry ny vahoaka aty amin’ny faritra Betsiboka, indrindra ny any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ny zava-misy ankehitriny amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika an’Atoa Goverinora Jean Roger sy Atoa Zilman PRMP, ny faha-9 desambra 2023 lasa teo. Raha ny vaovao mahoraka aty amin’ny renivohi-paritra Betsiboka, dia mandeha ny ihany koa ny fikarohana ny tompon’andraikitra iray amin’ny lapan’ny faritra, izay iarahan’ny eo anivon’ny  » polisy misahana ny harena an-kibontany aty an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana amin’izao anoratanay ny lahatsoratra izao. Raha hiverenana tokoa mantsy ny zava-niseho, dia fitrandrahana volamena an-tsokosoko tao amin’ny fokontany Tsinjarafa, any amin’ny kaominina ambanivohitra Marokoro, ato antin’ny disitrikan’i Maevatanàna, no niraisana tsikombakomba tamin’ireo Sinoa miisa folo sy ny Goveronora sy ireo mpiara-miasa aminy roa lahy voalaza anarana etsy ambony. Sinoa folo no voasambotra, fa nitrandranka volamena an-tsokosoko tsy nahazoana alalana tany Tsinjarafa-Marokoro. Misy olona telo hafa nohadihadiana niaraka tamin’izy ireo, ka ny Goveronora ny iray tamin’ireo. Raha ny fanadihadihana naton’ny  » Police des Mines » nidina tany ifotony dia fitaovan’ny faritra Betsiboka no nampiasain’ireo Sinoa tany an-toerana, ary nambenan’ny zandary mihitsy ry zareo. Ny Goveronora no nampanofa manokana ny fitaovana, kanefa fitaovana natolotra ny fitondram-panjakana ho an’ny faritra io. Mpamilin’Ingahy Goveronora ihany koa nokaramaina nitondra ny ilay » Engin, » ary nanampy azy ny talen’ny tetikasa. Vola mitentina roa tapitrisa ariary isam-bolana no karaman’ny tsirairay amin’izy roa lahy tamin’ity asa ity. Manoloana izany indrindra dia maro ireo zanaky ny faritra Betsiboka naneho ny heviny eny anelakelan-trano sy anaty tambajotran-tserasera, fa mendrika ho an’ny Goveronora sy ny namany izao, satria efa ela nanaovana fananaraotam-pahefana sy kolikoly ny lehilahy. Raha tany amin’ny taona 2010 no voatendry lehiben’ny faritra Betsiboka tamin’ny fitondrana tetezamita Atoa filoha Andry Rajoelina, ka ny taona 2011 no nenjehany Bianco Mahajanga sy ny tonia mpampanoa lalàna iray eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Maevatanàna ny tenany amin’ny resaka kolikoly, ka nitsoaka nandositra tany an-drenivohitra. Lasa voazavozavona ny raharaha tamin’izany. Ary ankehitriny rehefa voatendry ho Goveronora ny tenany dia, maro ireo olona taty an-toerana tsy nankasitraka azy, nefa akory ny natao, fa niaina ny zava-misy ny mponina. Talohan’ireo Sinoa folo voasambotra no efa nisy teratany vahiny tsy nanara-dàlana sy tsy manana taratasy fitrandrahana volamena tao Tsinjarafa-Marokoro, ary nosamborina avy hatrany izy ireo tamin’izany. Saingy nilaza ny Goveronora fa tsy misy fantany ny fisian’izany. Taty aorina indray ny Goveronora no nanangana an’ireo andian-tanora mpilatsaka an-tsotrapo miady amin’ny asan-dahalo, antsoina hoe Zazafotsy, ary nolazainy fa tsy fantany ihany koa ny fisian’ireo, rehefa nisy ny fifanolanana sy ny fifandonana teo amin’ny Zazafotsy sy mpitandro ny filaminana tany Manerinerina avaratra, vao tsy ela akory izay. Ity tokoa no tonga amin’ilay fitenena hoe, ela niotoratorana ka navoa mason’angatra ny Goveronora. Noho izao fampidirana am-ponja vonjy maika ny Goveronora sy PRMP eny Antanimora izao, dia faly sy namono akoho ny an-kamaroan’ireo mponina any Tsaratanàna, raha ny angom-baovao voaranay avy any an-toerana hatrany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Itony no azo antsoina hoe: Mpamosavy malemy ! ka ny ao an- trano ihany no asiany LOZA. Ny Tanindrazana no kendainy noho ny fitiavan- tena, ny fitiavan-karena azo tsy @ ny rariny, noho ny FANANDEVOZANA ny TANINDRAZANA, noho ny hasambarana samy irery fa lasa miha- mahantra ny mpiray Tanindrazana, mikororosy fahana ny FIRENENA.
    Tsy tokony hisy ny Indrafo sy Fahalemena na Fandaminana manolaona ny Halatra sy ny fanapotehina. Momba ireo rehetra voakasika sy niray petsapetsa, koa: Aleo hery aza ! Aleo hery aza ! ry BIANCO, ry ARAI, ry SAMIFIN … etc. Sy ny PARQUET ary ny ambaratongam-pitsarana samihafa .
    Tsy @ ny olona toy izao sy ny toe- tsaina toy itony no ahafahan’ ny FIRENENA mivaotra sy miala @ ny fahantrana sy ny fahoriana.
    Mihevitra ho mahazo kely nefa very be dia be ; diso hevitra !!!

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici