Iray volana lasa izay, nidirana andian’olona ny ala voaaro tafiditra ao anatin’ny tandavan’alan’ Ankeniheny Zahamena (CAZ); izay mandalo ao amin’ny tanànan’ Ambodiampaly kaominina ambohibe distrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo.
Ny fitrandrahana vatosoa samihafa sy resaka volamena; izay tena maro ao anatin’izany tandavan’ala izany, no nataon’ireto andian’olona ireto ka nahatonga ireo fokonolona tany an-toerana nitaraina tamin’ireo vondrona mpiaro ny ala voaaro. Ireto farany indray no nitondra ny raharaha teo anivon’ireo solon-tenam-panjakana samy hafa tao Vavatenina sy teo anivon’ny faritra Analanjirofo. Nisy noho izany ny fidinana ifotony nataon’ny Emmo-sécurité avy ao Analanjirofo nijery ny zava-nisy sy nisambotra ireto andian’olona mitrandraka anaty ala arovana ireto, herinandro lasa izay, ka niisa 56 lahy sy vavy ary zaza tsy ampy taona niara-voasambotra. Raha niakatra fampanoavana ny raharaha, ny talata 13 oktobra teo, dia 24 izay vehivavy ny iray no namoahana didy miandry fitsarana am-ponja vonjimaika.
Tsy nangina nahita ny havany naiditra am-ponja ny fianakavian’ireo nosamborina. Nanambara izy ireo ary milaza, fa manana porofo mazava, misy ekipa ana manamboninahitry ny tafika sy eo anivon’ny zandary avy eto Antananarivo sy Ambatondrazaka ary avy ao Fenerivo Atsinanana, miara-mitrandraka tamin’ny havan’izy ireo tao Ambodiampaly tao. Saika miaramila sy olona ambany fifehezan’izy ireo no miara-mitrandraka amin’izany. Saingy raha ho avy ireo Emmo-sécurité avy ao Analanjirofo nanao ny fisamborana, dia efa nisy hiraka mialoha nampandosirina. Mpitrandraka avy eto Antananarivo sy Ambatondrazaka avokoa ireto voasambotra, sy nahiditra am-ponja vonjy maika ireto, ary mitrandraka ho hamidiny ihany koa.
Ankoatra izany dia tena toerana misy sy ahitana volamena betsaka, sy vatosoa ihany koa toy ny “rubis” sy “tourmaline” ary “saphir”, ity tandavan’ala Ankeniheny Zahamena ao Ambodiampaly Ambohibe Vavatenina ity. Vokatra io fitrandrahana natao tao anatiny efa ho iray volana io, araka ny fampitam-baovao voaray, dia potika tanteraka ny ampahan’ilay tandavan’ala, noho ny fikapana ireo hazo anaovana ny lavaka, maloto ny rano noho ireo vokatra simika hanamorana ny fakana ireo volamena. Tsy voafaritra anefa ilay fahasimbana, fa eo am-panaovana ny fanadihadiana ny faritra Analanjirofo.
Malala Didier