- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFitrandrahana volamena tao Mananjary : Nogiazana ihany koa ireo milina goavana mitsingevana ambony...

Fitrandrahana volamena tao Mananjary : Nogiazana ihany koa ireo milina goavana mitsingevana ambony rano

Taorian’ny fitarainan’ny vahoaka nisesisesy mahakasika ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa ao Ambalatany, kaominina ambanivohitra Andranomavo, any amin’ny distrikan’i Mananjary, izay manimba ny tontolo iainana sy ny famokaran’ny tantsaha, dia nanao be midina tao Ambalatany, afak’omaly, ny « Police des mines » iraka avy amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny mpitandro ny filaminana, ary ny solontenam-panjakana ao Mananjary, notarihin’ny lehiben’ny distrikan’i Mananjary sy ny solombavambahoaka Mamihaja Charlot, voafidy tany an-toerana. « Fepetra hentitra noraisana : natsahatra sy nahidy avy hatrany ny asa fitrandrahana ataon’ireto Sinoa, ary nogiazana ihany koa ireo milina goavana mitsingevana ambony rano mpandraoka volamena », raha ny fanazavana azo. Nahafaly sy nakasitrahan’ny vahoaka izao fanapahan-kevitra nampitsahatra ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici