- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka : Dahalo roa matin’ny fokonolona

Fitsaram-bahoaka : Dahalo roa matin’ny fokonolona

Fitsaram-bahoaka indray ! Lehilahy roa, izay voalaza fa isan’ny ireo dahalo nanafika tao amin’ny tanànan’Ankerefo, any amin’iny distrikan’Ambatofinandrahana iny no nianjeran’ny hatezeran’ny fokonolona indray. Niafara hatramin’ny famoizan’izy ireo ny ainy mihitsy moa izany. Araka ny tati-baovao avy any an-toerana, dia nisiana trangana halatr’omby tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io, ny alarobia alina lasa teo. Omby am-polony no nokasain’ireo malaso nanao andiany ireto nangalarina tamin’io fotoana io. Tsy nanaiky lembenana intsony anefa ireo fokonolona ka dia niezaka niaro ny fananany hatramin’ny farany. Raikitra ny fifanandrinana, ka izao lavo izao ny roa tamin’ireo dahalo. Araka ny fantatra hatrany, dia mbola nisy sasany tamin’ireo olon-dratsy no naratra mafy vokatr’izay hatezeram-bahoaka izay, saingy hain’ireo namany navotana haingana. Tsy nahavita akory ny asa ratsy nokasainy hatao akory moa izy ireo tamin’izany. Tsy nisy naninona kosa ireo fokonolona. Fantatra fa efa nampandrenesina ny mahakasika ity tranga ity, ireo tompon’andraikitry ny filaminana an-toerana ary efa nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici