- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka : Jiolahy telo, matin’ny fokonolona

Fitsaram-bahoaka : Jiolahy telo, matin’ny fokonolona

Miverina indray. Na dia teo aza ny ezaka nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny fanjakana hanafoanana ny fitsaram-bahoaka dia manomboka miverina indray izao tato ho ato izay. Nihanirongatra tokoa mantsy tato anatin’ny fotoana vitsy izay ny tsy fandriampahelamana manerana ny Nosy. Hany ka tsy miandry intsony izay mpitandro filaminana ny olona, fa avy hatrany dia misambotra, midaroka sy mamono aloha, alohan’ny hanomezana azy ny tompon’andraikitra, raha tonga any. Ny vao haingana izao, dia ity nitranga tany Bealalana ity. Jiolahy telo avy nanafika tanana tao  Anjiameva, kaominina Ambatoriha-Atsinanana, no voasambotry ny fokonolona. Ary tsy namelan’ireto farany raha tsy maty namoy ny ainy mihitsy. Raha ny zava-nitranga, dia nisy trangam-panafihana mitam-piadiana tao amin’io tanana io, ny alin’ny talata lasa teo. Valo lahy ireo jiolahy tamin’io fotoana io, no sady nirongo basy. Vola mitentina eo amin’ny 19 tapitrisa ariary teo ho eo kosa no lasa. Nisy avy hatrany ny firaisan-kina teo amin’ireo fokonolona niezaka nikaroka ireto olon-dratsy ireto. Ny iray tamin’izy ireo no fantatra fa tadidin’ireo voatafika ka avy hatrany dia nosamborina, rehefa tazana teny amin’ny manodidina ihany. Noteren’ny fokonolona hilaza ny namany ity farany, ary dia nanondro olona roa. Nosamborina ireto farany, saingy nisy iray tamin’izy ireo no namaly ireo mpisambotra ka dia notaperin’izy ireo ny ainy. Nisy tamin’ireo fokonolona ihany koa no tsy nahatana intsony hatezerany ka nanjera izany tamin’ireto roa lahy hafa mbola velona. Tsy namelan’izy ireo ihany koa raha tsy tapitra tanteraka ny ain’ireto jiolahy ireto. Taorian’izay moa vao tonga tany an-toerana ireo tompon’andraikitra.  Na any amin’ny faritra na eto an-drenivohitra dia ahitana izay fitsaram-bahoaka  izay. Toy ny nitranga, tetsy 67ha vao andro vitsivitsy izay, raha nahatratra mpanendaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo mponina. Niainga teo avokoa ny daroka sy ny vono, saingy soa ihany fa tsy tonga hatrany tamin’ny fanaperana ny ain’ity olon-dratsy ity izany. Nalaky nifompona moa ity farany ary nalefa tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana nony avy teo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici