- Publicité SW45 -
mercredi, septembre 18, 2024
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka : Lehilahy nodorana velona teo akaikin’ny fiangonana

Fitsaram-bahoaka : Lehilahy nodorana velona teo akaikin’ny fiangonana

Nalaina ny kodiarana dia nodorana teo imasom-bahoaka i Baba, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Patrick, mpandraharaha amin’ny volamena, ny alatsinainy teo, tao Ambilobe. Nosamborin’ny olona tany amin’izay nisy azy izy sy ny namany iray omaly. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo no notanterahin’ireo olona marobe ilay fitsaram-bahoaka. Tsy taiza fa teo amin’ny toerana nahitàna ny fatin’i Patrick ihany, tsy mifanalavitra amin’ny fiangonana iray ao an-toerana, no nandorana ilay lehilahy. “Tsy niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana. Heverina fa maro loatra ireo olona teo an-toerana hany ka mety hitarika zavatra hafa indray ny fidiran’izy ireo an-tsehatra” raha ny fanazavan’ny mponina iray azonay tamin’ny antso an-tariby. Ilay lehilahy faharoa kosa dia tsy mbola hita izay nasian’ny olona azy hatramin’ny omaly alina. Ny olona mantsy no hanao famotorana azy, raha ny vaovao azo avy any Ambilobe ihany, ka dia notazomin’izy ireo any amin’ny toerana iray aloha ilay lehilahy. Olona efa tototry ny hatezerana hany ka na ny mpanao gazety aza tsy nisy sahy naka sary ny zava-niseho, sao sanatria hifototra any amin’izy ireo ny rihitra. Izay amin’ny ankapobeny ny momba ity tranga omaly ity. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva, raha ny vaovao azo hatrany, dia niala tany Antsiranana ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo-Reg izay hitan-tsoroka ireo namany ao Ambilobe. Raha ny fantatra dia zanaky ny delegen’ny boriborintany ao Sirama i Baba, ilay nodorana. I Patrick kosa indray dia nitondra volamena izay manodidina ny 10 tapitrisa ariary ny alatsinainy teo. Teo am-piandrasana taxibrosy hihazo an’i Diégo izy no nisy namono, tokony ho tamin’ny roa ora maraina. Inona indray no hitranga? Tsy voalohany no nitranga ny fitsaram-bahoaka tao an-toerana ary tsy voalohany ihany koa ny fisian’ny fidirana an-tsehatra mahery vaika nataon’ny mpitandro ny filaminana. Dia ho tonga amin’izany indray ve amin’ity indray mitoraka ity?

D.R/Vjcl

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser