Omaly maraina, nisy zavatra nampalahelo niseho teny Anosy Avaratra. Lehilahy iray 40 taona no voalaza fa maty novelesin’ny taizany tamin’ny tavoahangy teo amin’ny lohany. Tsy fantatra marina izay zavatra niseho omaly sy nahatonga ny ady. Nisy ny nilaza fa gidragidra no nahatonga izao. Rehefa tezitra ny olona dia misy ny mahavanona mahavita ny zavatra sy neritreretiny akory. Raha vao voa ilay lehilahy dia niezaka ny olona nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Saropady ny faritra voavely koa dia tsy avotra ny ain’ilay olona. Eny amin’ny faritra Ankazomanga no nonina ity olona maty ity fahavelony.
r.s.