- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosy Avaratra : Lehilahy 40 taona maty voavely tavoahangy

Anosy Avaratra : Lehilahy 40 taona maty voavely tavoahangy

Omaly maraina, nisy zavatra nampalahelo niseho teny Anosy Avaratra. Lehilahy iray 40 taona no voalaza fa maty novelesin’ny taizany tamin’ny tavoahangy teo amin’ny lohany. Tsy fantatra marina izay zavatra niseho omaly sy nahatonga ny ady. Nisy ny nilaza fa  gidragidra no nahatonga izao. Rehefa tezitra ny olona dia misy ny mahavanona mahavita ny zavatra sy neritreretiny akory. Raha vao voa ilay lehilahy dia niezaka ny olona nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Saropady ny faritra voavely koa dia tsy avotra ny ain’ilay olona. Eny amin’ny faritra Ankazomanga no nonina ity olona maty ity fahavelony.

 r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser